- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKamiao nitera-doza tao Anjozorobe : MD ilay mpamily, LP ilay lefitry ny ben’ny...

Kamiao nitera-doza tao Anjozorobe : MD ilay mpamily, LP ilay lefitry ny ben’ny tanàna sy ireo mpamily roa lahy hafa

Naverina natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly moa ireo olona efatra voarohirohy tamin’ny resaka lozam-pifamoivoizana, nahafaty olona iray sy nandratrana olona maromaro tany amin’iny kaominina Analaroa, distrika Anjozorobe iny. Araka ny fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana dia nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpamily sy tompon’ilay fiarabe niharan-doza. Nomena fahafahana vonjimaika kosa ilay lefitry ny ben’ny tanana tao an-toerana, niaraka tamin’ireo mpamily fiarabe hafa, roalahy, izay nitondra olona tsy araka ny tokony ho izy tamin’io andro io. Tsiahivina fa loza nitranga nandritry ny lalao famaranana ady baolina kitra, nokarakarain’ny kaominina tao an-toerana ity namoizana ain’olona ity. Ekipa roa, avy eo Analaroa sy Antanetibe Anativolo no tafiakatra tamin’ny famaranana tamin’izany. Nitondra olona maromaro, mpijery baolina, mpanohana ny ekipa avy any Antanetibe ity fiarabe ity. Somary nandeha mafy niditra ny kianja izy ireo, raha mbola tsy nanomboka akory ny lalao. Tamin’izay anefa anefa dia nihilana ary nivadika ilay fiara, niaraka tamin’ireo olona tao anatiny. Tovolahy iray no voatsindry tao sy namoy ny ainy, olona folo kosa no naratra mafy vokatr’izay. Nanao ny fanadihadiana ny tobim-paritry ny zandary tany an-toerana ary notohizan’ny vondro-tobim-paritra Imerina Central tany Antananarivo izany. Efa nisy ny fanolorana ireo olona voasaringotra tamin’ity raharaha teny anivon’ny Fampanoavana ny alarobia teo, saingy mbola nisy famotorana natao ka izao naverina omaly izao. Fantatra moa fa amin’ny 28 martsa ho azy izao ny fotoana hitsaràna izany raharaha izany, eny Anosy ihany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici