- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilÀ lireRN2 : Kamiao telo nifandona, olona iray maty

RN2 : Kamiao telo nifandona, olona iray maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Fiarabe (camion remorque) miisa telo be izao no indray nifandona, teo amin’ny kilaometatra vitsy, nialan’ny tananan’Antsampanana, raha hiantsinanana. Nandriaka ny rà tao anatin’izay. Tovolahy iray, mpanampin’ny mpamilin’ny iray tamin’ireto fiarabe ireto no maty tsy tra-drano rehefa voafaoka.

Raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia fiarabe iray nirimorimo fatratra avy any Atsinanana avy any no tsy tafajanona teo amin’io toerana io, ka nahadona ilay tovolahy, rehefa avy namarana ny lalany teny amin’ireo kamiao lebe anankiroa nifanao andaniny sy ankilany. Ny fanazavana azo hatrany mantsy no nahafantarana fa nisy kamiao maty handeha hiantsinanana teo amin’io toerana io, ary nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Somary voabahana araka izany ny lalan’ilay fiarabe faharoa, izay avy aty an-drenivohitra ihany koa, etsy andanin’izay anefa ny lalana tery. Voatery nidina araka izany ilay tovolahy mpanampin’ny mpamily, hanoro lalana ny mpamiliny. Tamin’io fotoana io no nipoitra tampoka avy hatrany ilay kamiao lehibe avy any Brickaville. Tsy tafajanona. Tsy tana intsony ny loza. Mafy dia mafy ny fifandonana. Nipitika niala ny lalana mihitsy ireo voadona. Ankoatr’ity tovolahy namoy ny ainy ity dia nisy ihany koa no naratra, izay voalaza fa mbola nosokirina tao anaty « cabine ». Efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa izany.

Niteraka fitohana lavareny fanindroany indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny ity tranga ity omaly, raha vao ny faran’ny herinandro teo no nisy fiarabe nitsivalana, niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ihany koa tsy lavitra io toerana io.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici