Nampanantsoina vao maraina teny amin’ny zandary misahana ny raharaha heloka bevava ao Toamasina ny sabotsy teo. Vao tonga teny amin’ny birao dia nasaina niomana fa hiakatra aty an-drenivohitra avy hatrany. Naka akanjo sy vatsy kely dia lasa ary tonga teto Antananarivo ny maraim-ben’ny sabotsy. Nanokafana fanadihadiana ao amin’ny sampana cybercriminalité ao amin’ny Toby Ratsimandrava i Kamy Mickaelys Ndiamahazo. Hatreto ny anton’izany dia noho ny fizaràny vaovao mahakasika ny Sambo Mercy Ships. Nifantoka tamin’ny fitarain’ny olona tsaboina izy. Ireo farany izay niangavy ny fitondràna mba hamela ny hanohizan’ny Mercy Ships ny asa fitsaboany ao Toamasina ka hanasonia ny fifanaraham-piaraha-miasa izay lasa bahana tsy maintsy hiverenan’ny sambo raha toa ka tsy voasonia. Vetivety anefa ny valin-kafatra satria iray andro taorian’izay dia efa nampanantsoina ary nentina avy hatrany aty amin’ny mpanao fanadihadiana aty an-drenivohitra. Ny andron’iny ihany dia efa nivorivory ny fikambanan’ny mpanao gazety samihafa ary naneho ny fiaraha-mientany amin’ity tranga ity satria mahita izy ireo fa voatohitohina indray ny fahalalahan’ny asa. I Kamy rahateo dia isan’ireo sahy amin’ny asa izay ataony ary tena arahin’ny olona maro ny vaovao izay avoakany mahakasika ny fiainana amin’ny lafiny rehetra ao Toamasina. Vao herinandro lasa izay no nisy mpiasam-panjakana izay afaka tamin’ny asany noho ny tsy nety nataony ka navoakan’i Kamy vaovao. Manontany tena ny mpanao gazety maro ankehitriny hoe mizotra ho aiza ny asan’izy ireo raha toa izao foana no mitranga isaky ny mamoaka ny marina? Ny atrikasa etsy sy eroa anefa dia milaza fa entina manatsara ny asa fanaovan-gazety hatrany kanefa toa tsy misy akony akory na kely aza amin’ireo tena misehatra amin’ny asa, ataon’ny fikambanana tsy ao anatin’ny asa fitadiavam-bola fotsiny.
D.R