- Publicité -
vendredi, octobre 30, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKandreho - Betsiboka : Maty voatifitry ny zandary i Zaman'i Gista dahalo...

Kandreho – Betsiboka : Maty voatifitry ny zandary i Zaman’i Gista dahalo raindahiny

Anisan’ireo dahalo nampitondra faisana ny mponina nandritra ny taona maro, amin’ny fanafihana nitam-piadiana sy halatra omby niampy famonoana olona i Tefindrazana, na  Zaman’i Gista, ary efa ela nokarohina sy nanaovan-dratsy. Araka ny fanangonam-baovao azonay hatrany dia ny andron’ny faha-27 oktobra 2026 teo no nisy nampandre an-telefaonina mikasika ny fisian’ireo dahalo tsy voafaritra isa namory omby tao amin’ny kianjan’Ampasiriha ny zandary miasa any amin’ny distrikan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tsy niandry ela rehefa nahazo antso ara-potoana ny mpitandro ny filaminana fa nidina ifotony nalaky, saingy raha nahita azy ireo ny malaso dia nitari-dositra sy namela ny omby efa voangona tao an-kijana. Ny alin’io ihany no nifankatratra ny roa tonta, sady nanao fampitandremana ny zandary mba hampijanona ny olon-dratsy nitsoaka niaraka tamin’ny moara. Teo no voatery tsy maintsy nampiasa ny fitaovana teny am-pelatanany ireto farany. Vokany : Naratra voan’ny bala ilay malaso fatan-daza atao hoe Zaman’i Gista. Noho ny fahaverezan-drà be loatra dia nitarika azy tamin’ny fahafatesana izany. Raha tsiahivina dia dahalo raindahiny tadiavin’ny mpitandro ny filaminana tany amin’ny distrikan’Ambatoboeny, Maevatanàna, Kandreho i Zaman’i Gista.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici