- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKandreho : Raim-pianakaviana iray no maty voatifitry ny jiolahy

Kandreho : Raim-pianakaviana iray no maty voatifitry ny jiolahy

Anisan’ny azo sokajina ho faritra mena araky ny fampitam-baovao voaray ny tanànan’i Mahatsinjo Sud, any amin’ny disitrakan’i Kandreho, ato anatin’ny faritra Betsiboka raha eo amin’ny lafin’ny tsy fandriam-pahalemana no asian-teny. Ny angom-baovao voaray avy any an-toerana no nahalalana fa tamin’ny alin’ny Talata faha 14 Aprily taona 2026 lasa teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any dia niditra am-boletra tao amin’ny tanàna voalaza etsy aloha ireo malaso tsy voafaritr’isa, izay nirongo fitaovam-piadiana. Rehefa iny taitra tamin’ny toromasony nisafo omby tao am-bala iny ny Raim-pianakaviana iray dia tifitra basin’ireo malaso hatrany no nitsena azy, saingy nandositra avy hatrany ireo ny jiolahy taorin’ny tifitra nataony no niteny nanao hoe:  » manaraha raha mahasaha.  » Tsy nisy nandeha nanaraka ny dahalo nitsoaka ny olona teo an-tanàna fa niara nifanome tanana namonjy, ilay rangahy 50 taona mahery rakotra ny diana bala teo amin’ny hilain’ny avia eo ambany elika, tandrifin’ny fony, kibony. Rehefa noentina teny amin’ny mpitsabo moa ity farany no tonga dia nanary ainy, tsy nisy inona azo natao azy intsony. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara ny mampahafantatra fa tsy nitondra omby ireo jiolahy nitsoaka, tao Mahatsinjo Sud. Efa nahitana trangana tsy fandriam-pahalemana ihany koa ny tao amin’ity tanàna ity ny herin’ny Talata lasa teo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici