Niraradraraka indray ny havandra, tao amin’ny kaominina Ambano ny fiandohan’ny herinandro teo iny, raha ny fantatra, saika potiky ny havandra avokoa ny 80 %-n’ny fambolena.
Raha somary niato kely ny rotsak’orana teto Antsirabe andrenivohitra tato ho ato , tsy mba izay kosa no nitranga tany amin’ny kaominina manodidina, fa nahery vaika ny fiavian’ny orana. Isan’izany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mandrosohasina sy Ambano Atsinanana Distrika Antsirabe II. Naharitra ora iray mihitsy izany ary ny tena loza, dia tsy nitsahatra nirarakompana koa ny havandra. Tapitra potika avokoa ny fambolena rehetra indrindra fa ny voankazo, isan’izany ny voaloboka, ity faritra ity anefa izay isan’ny tena tsara voaloboka indrindra eto Vakinankaratra. Ankoatra izay ny voly rehetra, na an-tanety io na an-tanimbary dia saika potika avokoa vokatry ny havandra. Manao antso noho ity voina mahazo ny mponina ity ny ben’ny Tanana ao Ambano Pascal Rakotomalala, mba hifanentana ka hitandro sy hiaro ny tontolo iainana mba hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro toy izao. Fantatra koa fa efa nisy ny fidinan’ny tomponandraiki-panjakana niaraka tamin’ny ben’ny Tanana sy mpikambana ao amin’ny OPCI Taratra nijery ny fahavoazana.
Tsy kivy anefa ny mponina, fa vonona hanarina ny loza voajanahary toy izao saingy ny ho enti-manana kosa no mampitaraina azy ireo. Nambaran’ny solontenan’ny mponina, fa te hamerina hamboly indray ny tantsaha hanarenana ny loza nihatra, saingy ny hoenti-manana no tsy misy intsony dia ny masomboly izany.
Andry N.