- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Diverskaominina ambonivohitry Toamasina : Tratra ireo efa-bavy mpangalan-tsonia eo anivon’ny “Etat-Civil”…

kaominina ambonivohitry Toamasina : Tratra ireo efa-bavy mpangalan-tsonia eo anivon’ny “Etat-Civil”…

Ny fiainan’ny olona iray manontolo mihintsy no tandin-doza amin’izao satria tena ahitana tranga tsy nampoizina eo anivon’ny sampan’ny soram-piankohonana, “Etat-Civil”, eo anivon’ny kaominin’i Toamasina. Nahitana halatra Sonia nataon’ireto mpiasa efa-bavy isany misahana izany soram-piankohonana izany tao anatin’ny taona maromaro, ka lasa tsy mampitombona ireo kopiam-pahaterahana zaza vao teraka mivoaka sy ny fisoratam-panambadia nitranga teo anivon’ny kaominina.

Sarona ireto mpiasa efatra mpangalatra ny Sonia an’i lefitra voalohan’ny ben’ny Tanana Atoa Toto Jean misahana ity soram-piankohonana ity ny 15 jona teo. Araka ny fanazavana nomen’izy efa-bavy araka ny fanadiadiana nataon’ny kaominina dia angalaran’izy ireo avokoa ny fitomboka misy ny anarany sy ny fitomboky ny kaominina mikasika izany ary ny sonian’ity tompon’andraikitra ity, ka ny fisavana nataon’ny lefitry ny ben’ny Tanana ity tampoka teo am-baravarana mivoaka sy miditra ny kaominina tamin’olona naka kopia soram-piankohonana zaza vao teraka no nahitany izany rehetra izany. Efa ela no naheno ilay toe-javatra hafahafa io ny tenany ka nanomboka nanara-maso izany, saingy ny 15 jona teo vao tratrany ireto mpanao izany toe-javatra izany eo anivon’ny kaominina, izay nahitany fa kopia tsy nandalo teo ambany masony nefa misy ny soniany no hitany. Tsy vitany halatra Sonia ihany no ataon’ireo efa-bavy mpiasany kaominina amin’ity soram-piankohonana ity, fa misy koa fakana vola be amin’ireo mpanamboatra izany, nefa voalaza fa tsy tafiditra ao anaty “vodi-boky” akory ireo mpisora-panabadiana sy zaza vao teraka manao kopia voalohany, ka ho sahirana amin’ny fotoana manaraka izy ireo satria tsy maintsy mandalo fitsarana vao mety ho vita izany rehetra izany any aoriana. Nandray fepetra avy hatrany ny teo anivon’ny kaominina nahitana ny ben’ny Tanana namindra toerana avy hatrany ireo efa-bavy mpanangala-tsonia na tompon’andraikitra ireto.

Ankoatra izany dia nambaran’ny ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina Herilala fa tsy tokony avela mora ny toe-drahaaraha tahaka izao satria mampidi-doza amin’ireo mpanan-draharaha eo anivon’ny kaominina. Isan’ireny ireo ray aman-dreniny na zaza vao teraka manamboatra kopia an-janany, nefa tsy sonian’ny tena tompon’andraikitra no hita eo fa halatra. Maro vokatra izany ny fanelanelanana mandeha amin’ny ben’ny Tanana ny tsy hitondrana ny raharaha amin’ny fitsarana, satria heloka be vava ny toe-javatra tahaka izao vao miditra fitsarana. Zava-doza ny zava-nisy an-taonany maro  nataon’izy efa-bavy, ka ho hita ny tohiny sy ny fandehan’ny raharaha ao aoriana ao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici