Nitrangana vono olona mahatsiravina tao amin’ny fokontany Ambalahasy kaominina ambanivohitra Ampasimbe Onibe amin’ny lalam-pirenena faha-5. Tovolahy iray 16 taona no nahavita namono tovovavy mpiray Tanàna aminy noho antony tati-bolana ataon’ilay tovovavy, ka miteraka fahabedesana lava an’ilay tovolahy. Raha ny fanazavan’ny zandary nisahana ny raharaha dia mitoroka ilay tovolahy saika isan’andro amin’ny ray aman-dreniny ilay tovovavy, ka mahatonga azy bedy lava vao miditra ny trano. Vokatra izany dia ny 31 aogositra teo nomanin’ilay tovolahy ny fomba famonoana ilay tovovavy, ka nanaovany vela-pandrika mihitsy izany. Vao nitranga ilay tovovavy dia nokapainy ny antsy be tamin’izany ny loha sy ny tenda ary ny tanan’ilay tovovavy. Tsy naleviny ilay tovovavy maty tamin’io fotoana io fa navelany tao anaty ala fotsiny. Noho io vono olona io dia nitory teo anivon’ny zandary teto Toamasina ny ray aman-drenin’ilay tovovavy maty voakapa loha, ka folo andro taty aoriana tratran’ny zandary ihany ilay tovolahy vao 16 taona namono azy ary nohazavainy tamin’ny antsipirihany ny fomba namonoany azy. Nambaran’ilay tovolahy namono fa “ny tati-bolana fanaon’ity tovovavy ity amin’ny ray aman-dreniny izay mahabedy azy foana no antony namonoana azy”. Tsy nanakana sy tsy nandà ny fisamborana ity zanany tamin’izao vono olona izao ny ray aman-drenin’ilay tovolahy, saingy gaga kosa noho ny zava-nitranga rehetra tamin’izao vono olona izao. Tamin’ny fahatraran’ny zandary ity tovolahy ity izao dia tsy nandà ny famonoana nataony ny tenany. Miandry fitsarana azy am-ponjan’Ambalatavoahangy ity tovolahy namono olona tao Ampasimbe Onibe ity.
Malala Didier