- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominina Ankatsankatsa Sud- Morombe : Tsy fahandriampahalemana, miantso vonjy ny vahoaka

Kaominina Ankatsankatsa Sud- Morombe : Tsy fahandriampahalemana, miantso vonjy ny vahoaka

Manjaka ny tsy fahandriampahalemana tato ho ato ao anatn’ny distrikan’I Morombe, faritra  Atsimo Andrefana amin’ny ankapobeny, fa indrindra ny halatr’omby. Toy nitranga ny asabotsy 24 jiolay lasa teo tamin’ny 5ora sy sasany tolakandro tao amiin’ny kaominiina ambanivohitra Ankatsakantsa Sud,  fokontany Ambiky, ka nahaverezana omby miisa telopolo lasan’ny malaso.

Ny asabotsy faha 24 jiolay lasa teo tokony tamin’ny 5 ora sy sassany tolak’andro, tao amin’ny kaominina  ambanivohitra Ankatsankatsa Sud, fokontany Ambiky,  distrikan’I  Morombe, faritra Atsimo Andrefana, dia nitrangana fanafihan-dahalo  mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, ka  voaroba tamin’izany ny omby miisa telopolo. Nandray andraikitra avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminan amin’ny fanarahan- dia ny omby very, ka tsikaritra mazava be izao, fa mankany atsinana mihazo an’I Ankazoabo ny dian’iireo omby very.

Mitarainana sy miantso vonjy amin’ireo mpitondra fanjakana foibe, ny fokonolona any an-toerana vokatrin’izao asan-dahalo misesisesy izay miteraka ny fahantrana sy sakana ho an’ny fampandrosoana ny tontolon’ny ambanivohitra. Ny tantsaha eny ambanivohitra izay miantoka ny famatsiana sakafo ho an’ny mponina an-drenivohitra.

Vokatrn’ny tsy fahandriampahalemana misy na an-andrenivohtra na ambanivohitra, dia miha mahantra ny vahoaka, satria ireo harena nohariana mandritra ny taona maro, dia ravan’ny olon-dratsy, ary  lasa miraviravy tanana ka miteraky ny fifidram-monina tsy voafefy misy an-tanan-dehibe maro.

Sary”kaominina Ankatsankatsaka Sud”

Modules 6,00

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici