vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversKaominina Fanandrana : Nitsidika ireo asa mandeha ny governoran’Atsinanana

Kaominina Fanandrana : Nitsidika ireo asa mandeha ny governoran’Atsinanana

Taorian’ny fitsidihan’ny governora Atoa Rafidison Richard Théodore ny tapany atsimon’i Toamasina, ka nijereny ireo asa mandeha amin’ny fanamboarana ny kianja manara-penitra ao Brickaville, sekoly manara-penitra tao Vatomandry, ary kianja manara-penitra ihany koa tao Mahanoro, farany teo; dia nitsidika ny tao Fanandrana ny governoran’Atsinanana omaly. Tamin’ity fitsidihana nataony ity no nahatsapana fa miroso ny asa fanamboarana ny sekoly Lycée ao Fanandrana izay efa vita hatrany amin’ny 60% amin’izao raha ny fanazavana. Raha ny fanazavan’ny governora dia heverina hovitaina alohan’ny fidiran’ny taom-pianarana 2020 – 2021 ity sekoly vaovao ao Fanandrana ity, satria ireo kaominina manodidina sy ireo fokontany 10 ao anatin’ny kaominina Fanandrana rehetra dia saika mandrato fianarana ao amin’ity Lycée Fanandrana ity avokoa. Ny fanazavan’ny DRENTP Atsinanana dia hahitana efitranon-tsekoly 12, efitrano fisakafoanana, efitrano ho an’ny tranom-boky, efitrano ho an’ny mpampianatra, ary efitrano ho an’ny talen’ny sekoly ity sekoly vaovao amboarina ity. Ankoatra izay koa dia nijery ny fanamboarana ny siniben-drano miaraka amin’ny “ZaraRano” ny ekipa sy ireo delegasionina niaraka tamin’ny governora Rafidimanana Richard Théodore. Famatsian-drano amin’ny alalan’ny fisintonan-drano any ambanin’ny tany no mamatsy ity siniben-drano ity, ka mahazaka hatrany amin’ny 30m3 ilay izy mandritra izany. Amidy ny rano raha vita eo fa tsy omena fotsiny, ka 0,5ariary isaky ny litatra ho an’ny daholobe sy 05ariary isaky ny litatra izany ho an’ny tokantrano manokana mangataka. Ny Ong NMS no miantoka ny famarotana sy ny fitantanana ny rano, ka raha mety tsara ny fitantanana dia hitatra amin’ny faritra hafa izany, satria atao mpitari-dalana ao Toamasina II izao asa famatsian-drano izao. Heverina ho vita amin’ny 15 septembre izao ny asa, ka amin’izay ny famarotana azy voalohany ho an’ny mponina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici