- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversKaominina Inanantotona Betafo : Tsy neken’ny vahoaka ny fanoloana ben’ny ...

Kaominina Inanantotona Betafo : Tsy neken’ny vahoaka ny fanoloana ben’ny tanana, nodoran’ny olona ny biraon’ny kaominina

Tsy neken’ny vahoakan’Inanatonana ny nanoloana ny ben’ny tanana nofidin’izy ireo tamin’ny latsa-bato ka nosoloina ben’ny tanana teo aloha izay  nilatsaka tamin’ny anaran’ny  antokon’ny fitodrana nefa tsy lany. Vokatry ny fanerena ny ben’ny tananan’izy ireo hanatanteraka ny famin-drampahefana teo amin’ny ben’ny tanana vaovao izay napetraky ny fanjakana.Tezitra mafy ny vahoaka ka nitroatra sy nitora-bato ary niafara tamin’ny fandoroana ny lapan’ny tanana mihitsy. May tanteraka noho izany  ny lapan’ny Tanana ao amin’ny kaomininana Inanantonana distrikan’i Betafo.

Tamin’ny alakamisy 4 Febroary lasa teo no daty nanaovana ny famindram-pahefana, efa fantatry ny teo amin’ny kaominina izany ka tonga mialoha ny vahoaka marobe hanakana ny lanonam-pamindram-pahefana. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro no tonga ilay ben’ny tanana vaovao Randrianantenaina Elia Patrick napetraky ny fitondrana niaraka tamina polisy roa. Vao tazan’ny vahoaka ity farany dia efa horakoraka sy fanesoesoana  no niandry azy. Nandray fitenenana teo anoloan’ny vahoak’Inanantonana ny ben’ny tanana lanim-bahoaka Rakotonirina Elison nitatitra ny zava-bitany nandritra ny telo volana ary nambarany koa fa tsy hanao sonia ny famindram-pahefana ny tenany. Tsy tanteraka anefa izany noho ny tery vay manta  nataon’ireo mpitandro filaminana. Noterana hiditra anaty birao ity ben’ny Tanana ity hanao sonia ny famindram-pahefana, ka tontosa ihany izany fa tsy tamim-piralahiana akory. Tokony ho tamin’ny 2ora antoandro no vita ny sonia, nivoaka ny birao ny ben’ny tanana lanim-bahoaka ny hany sisa  teniny dia ny hoe “vita e” araky ny filazan’ny loharanom-baovao. Taoarian’ny fahalasan’ny lehiben’ny distrikan’i Betafo izay nanatrika ny fanaovan-tsonia, dia tsy tana intsony ny hetezeram-bahoaka, vahoaka efa romotra rahateo, raikitra ny tora bato ary niafara tamin’ny fandorana ny biraon’ny kaominina. May tsy nisy noraisina intsony ny lapan’ny Tanana, tsy nisy namono rahateo ny afo na dia ireo ekipan’ny ben’ny tanana vaovao napetraka aza.

Raha tsiahivina, miisa dimy ireo ben’ny hosoloina eto amin’ny faritra Vakinankatra dia Ambohibary izay nahitana olana ihany koa talohan’ny famindram-pehefana, Antsoantany, Ambatolahy, Ambohitompona ary izao tao Inanantonana izao.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici