- Publicité -
samedi, septembre 12, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominina Toamasina renivohitra : Mpandraharaha iray mibodo lalam-bahoaka…

Kaominina Toamasina renivohitra : Mpandraharaha iray mibodo lalam-bahoaka…

Lasa resa-be eto Toamasina ny momba ilay lalana eo anelanelan’ny talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena atsinanana, sy ny biraon’ny Air Madagasikara eo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena manoloana ny lapan’ny Tanana, fa bodoana mpandraraharaha iray amin’ny fampilalaovana zaza. Raha ny fanazavana dia efa nangataka teo anivon’ny kaominina ilay mpandraharaha fa noho ny fihibohana nitranga teto Madagasikara noho ny covid-19, dia nanaiky izany ny kaominina saingy fotoana fohy ihany no nekeny am-bava.

Taona iray taty aoriana mbola tsy miala ihany ilay mpandraharaha araka ny nifanekeny tamin’ny kaominina, ka nisy ny fandefasan’ny kaominina taratasy ho fanalana ity mpandraharaha ity eo amin’ilay lalana bodoan’ity mpandraharaha ity saingy tsy mbola miala izy ireo. Nandefa taratasy tamin’ny kaominina indray taty aoriana ilay mpandraharaha, fa hanao “bail” ilay lalam-bahoaka. Fantatra anefa fa tsy nanaiky izany fangatahany izany ny tompon’andraikitra ny kaominina amin’ny fangatahana hanao “bail” ity. Amin’izao anefa dia misy mpikambana eo anivon’ny filan-kevitra sy ao anatin’ny birao maharitra manohana ity mpandraharaha ity, ka efa nodinihana teo anivon’ny fivoriana teo anivon’ny filan-kevitry ny kaominina izany. Raha ny angom-baovao anefa dia tsy nanaiky sy tsy nandany izany ireo mpanolon-tsaina maro an’isa. Vokatra izany misy olona ao anatin’ny fitondrana amin’izao mpiray tsikombakomba amin’ity mpandraharaha ity, satria tsy misy akory fanapahan’ny mpanolon-tsaina sy “arrêté municipale” dia midongy tsy mety miala eo amin’ilay lalam-bahoaka. Nanamafy ireo mpanolon-tsaina minisipaly sasany tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, fa tsy manaiky io fibodoana lalam-bahoaka io ny ben’ny Tanana, saingy mena ambony ny mena ny tenany ka tsy afa-manoatra noho ireo mpiray tendro amin’ny fanjakana miara-dia sy mibizina miaraka amin’ity mpandraharaha ity.

Ankoatra izany dia manahy ireo mpanolontsaina monisipaly sasany nihaona tamin’ny mpanao gazety, fa sao afaka fotoana fohy dia hisy trano vato mijoalajoala hitsangana eo amin’ity lalam-bahoaka ity. Manaitra ny rehetra ny tompon’andraiktra mba hijery akaiky ny raharaha, satria efa nanome soson-kevitra tamin’ity mpandraharaha ity ny kaominina amin’ny hifindrany eny amoron-dranomasina, nefa tsy nanaiky izany ilay mpandraharaha.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici