vendredi, avril 25, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’i Fenerivo Atsinanana : Sarona ilay mpisoloky gaigivavy

Kaominin’i Fenerivo Atsinanana : Sarona ilay mpisoloky gaigivavy

Tratran’ny olona nosolikiany ihany ilay ramatoa gaigivavy amin’ny fisolokiana, ka nentina teo anivon’ny polisim-pirenena ary voatazona ao ankehitriny hanaovana fanadiadiana, aorian’izay dia hiakatra fitsarana ny raharaha. Ilay rangahy mpiara-misoloky taminy kosa nandritra io fahatrarana azy io dia afaka nitsoaka ka tsy tratra; misy ny fitadiavana azy amin’izao fotoana izao hiatrika famotorana azy ihany koa.

Hafa kely ny fomba fanoan’ireto olona roa ireto amin’ny fisolokiana fanaony. Mitondra vatosoa sandoka ilay ramatoa ary iny no asehony ireo olona lasibatra. Raha manaiky ny resaka ataony eo am-pijerena ny vatosoa ilay olona lasibatra, dia tonga ity lehilahy ilay mpiara-miasa aminy mandangolango ilay olona fa mahita olona  mpividy vatosoa ny tenany ary vola be izany. Entin’ilay rangahy ilay olona mandeha mitady ilay mpanam-bola mpividy vatosoa, nefa vao tonga eo anoloan’ny banky na Otiv dia asainy miambina eo ilay olona sandohana, ary efa ora maro vao tonga saina nefa ireo mpisoloky efa tsy hita intsony ny misy azy. eo vao miala maina ilay voasoloky satria ny vola efa lasain’ilay ramatoa atao antoka, ny vatosoa nitavandraina tsy hita intsony koa.

Araka ny vaovao dia manao tohivakana ny fitoriana momba ity ramatoa gaigivavy amin’ny fisolokiana fanaony ity, satria maro ihany ireo olona efa voasoloky nataon’izy roa ireto. Miandry ny tohiny ny rehetra indrindra ireo vahoaka ao Fenerivo atsinanana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici