- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominin’i Mahanoro : Hanamborana lalam-bato 03km ny tampon-tanana

Kaominin’i Mahanoro : Hanamborana lalam-bato 03km ny tampon-tanana

Novakian’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Atoa Rafidison Richard Théodore, bantsilana ny tetikasa fampandrosoana entiny ho an’ny faritra Atsinanana sy ireo distrika 07 mandrafitra azy. Taorian’ny fihaonan’ny governora tamin’ireo ben’ny tananan’i Toamasina II miisa 18, dia nambaran’Atoa Rafidison Richard Théodore ampahibemaso izao fa hisy lalam-bato (Beton) mirefy 03km mahery hamboarina ao an-tampon-tananan’ny kaominin’i Mahanoro. Vola mitentina 02 miliara ariary eo no holaniana hanaovana izany, ary efa handeha ny tolobidin’ny asa. Ny volana jona izao rahateo no hapetraka ny vato fehizoro amin’izany raha ny nambaran’ny governora azy ihany. Tsy ny ao Mahanoro ihany no hahazo izany fanamboaran-dalana izany fa ireo distrika 05 hafa, ka ho eo amin’ny 01 miliara ariary eo avokoa ny vidin’ny asa atao mandritra izany, saingy mbola mandeha ny fanadihadiana momba izany ahafahana mamaritra ny tena asa maika sy ny filan’ny vahoaka tanteraka. Ankoatra izay dia nomarihan’ny governoran’Atsinanana fa na eo aza ny hamehana ara-pahasalamana noraisin’ny fanjakana noho ny coronavirus, sy ny fihibohana nitohy 15 andro indray, dia tsy sakana hitondra ny fampandrosoana ny faritra izany, araka ny fanamby nataony teo anivon’ny filoham-pirenena, sy tamin’ny fandraisany asa maha-governoran’Atsinanana an’Atoa Rafidison Richard Théodore izay feno iray volana sy tapany ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici