- Publicité SW45 -
mardi, mai 14, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina ambonivohitra : Nesorina ireo mpivarotra tsy manara-dalana tao Mangarano

Kaominin’i Toamasina ambonivohitra : Nesorina ireo mpivarotra tsy manara-dalana tao Mangarano

Tsy nanao mizana tsindrian’ila ny sampana « Urbanisme » ny kaominin’i Toamasina ambonivahitra, fa avy hatrany dia tsy nisalasala nanaisotra ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manaran-dalana tao amin’ny fokontany Mangarano. Ny antony araka ny fanazavan’ireo avy ao amin’ny sampana « Urbanisme » nanao azy dia ny fahateren’ny lalana ataon’ireo mpivarotra, ka na ireo fandehanan’ny mpividy sy ny mpandeha aza efa tsy misy intsony izay misy hatrany ny lozam-pifamoivoizana noho izany. Raha ny tantaran’ny kaominina ambonivohitry Toamasina, dia sambany no nahita izany tao anatan’izany tao anatin’ny folo taona izay, satria hatramin’izay dia matahotra ny hetsika ataon’ireo mpivarotra ny kaominina, ka na tsy manara-dalana aza dia mijanona eo ihany izay tena manimba zavatra maro ny zava-misy anefa. Tsy nosafidianana tarehy na lokon’akanjo ny fanesorana sy fandravana ireo mpivarotra tsy manara-dalana, fa izay tao anatin’ny faritra nofaritan’ny kaominina noho ny lalana dia niala sy nesorina avokoa tao Mangarano. Nomarihan’ny sampana « Urbanisme » ny kaominina ambonivohitry  Toamasina fa hitohy amin’ny faritra hafa misy fibodoana lalan’ny mpandeha an-tongotra ataon’ireo mpivarotra sasany ny asan’izy ireo. Efa nilaza ny talen’ny « Urbanisme » fa tsy hananany hantra ny tsy fanaraha-dalana na voalaza aza fa sarotra ny fiainana, satria midika ho gaboraraka ny fanaovana izany sy fampiharana izany amin’ny kaominina ary mampitombo ny fanaovana kolikoly ihany koa. Ankoatra izany dia isan’ny fitakiana efa nataon’ny mpanolon-tsaina tamin’ny fivoriana ara-potoana natao farany teo ny tao lasa, sy mbola nitohy ny fivoriana ara-potoana farany teo ny taona 2021, izany fampanajana ny lalan’ny kaominina amin’ireo mpivarotra izany. Ho an’ny mpanolon-tsaina tamin’izay dia aoka ho an’ny fiarakodia ny arabe, sy aoka ho an’ny mpandeha an-tongotra ny « trottoir », ary aoka ho an’ny mpivarotra ny tsena.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici