- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaominin’i Toamasina renivohitra : Harenina ny araben’ny fahaleovantena

Kaominin’i Toamasina renivohitra : Harenina ny araben’ny fahaleovantena

Miditra amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny areben’ny fahaleovantena ireo tompon’adrakitry ny Tanàna ankehitriny. Nijery akaiky izany ny ben’ny Tananan’i Toamasina sy ny lehiben’ny faritra Atsinanana, satria fantatra fa vao mainka simba ilay lalana taorian’ny rivodoza farany teo teto Toamasina. Nananambara ny lehiben’ny faritra atsinanana Atoa Razafiarison Jean Jugus, fa horaisin’ny faritra atsinanana an-tanana ny vola fanarenana izany amin’ny alalan’ny tamberim-bidy azony avy amin’ny orinasa Ambatovy. Fantatra ihany koa fa mirefy 2.400m ny lalana harenina ity, ka manomboka eny amoron-dranomasina mihodidina ny lapan’ny Tanàna mandalo ny lapan’ny faritra atsinanana ity harenina manontolo ity. Hanatsarana ny endriky Toamasina taorian’ny rivodoza no tena antony, ary hiatrehana ny fetin’y fahaleovantena ihany koa, satria hisy ny matso eo amin’ity araben’ny fahaleovantena ity. Homena enim-bolana ny orinasa nahazo ny asa amin’ny fanerenana hoy ny ben’ny Tanàna Andriafanomezantsoa Alain, ary hisolo tara avokoa ireo lavadavaka mameno ny araben’ny fahaleovantena manomboka izao. Miangavy ny mpampiasa ny lalana rehetra ny ben’ny Tanàna sy ny lehiben’ny faritra, mba hanaja ny toromarika amin’ny fampiasana ny lalana ao anatin’ny fanamboarana, satria tsy maintsy hisy ny fanelingelena mandritra ny fanarenana, ary hisy koa ny familian-dalana tsy maintsy hatao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici