Tsy hay izay nanjo ity rangahy iray monina ao Anjoma Toamasina ity, fa notsidron’ny antsy intelo ny vadiny, izay mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly ankehitriny ary tsy misy atahorana loatra ny ainy hoy ireo mpitsabo. Araka ny filazan’ireo olona manodidina sy mahalala ilay rangahy, dia indroa nanambady ity rangahy ity, ary saika hokasaina voina avokoa ireo vehivavy miaraka aminy rehefa te-hisaraka aminy izy, saingy i Clarissia no tratra izay vadiny faharoa raha nahay nitsoaka ilay voalohany. 25 taona ity vadiny faharoa tratran’ny tsindron’antsy ity, ary intelo no nanaovany ilay tsondron’antsy teo amin’ny fanambanin’ny kibony havia ary ireo antsy fampiasa ao an-dakozia ireny nanaovany izany. Nambaran’ireo manodidina nahita ilay tranga izay saika hanao fitsaram-bahoaka taminy, fa te-hisaraka amin’ity vadiny ity ny tenany, ka ny famonoana azy mba tsy hiaraka amin’olon-kafa no antony, saingy tsy maty ilay vadiny nandritra izany. Milaza ny fianakavian’ilay rangahy niaraka aminy taratasy ho porofo, izay vao mainka naharomotra ny olona efa nikasa hanao fitsaram-bahoaka, fa marary saina ilay rangahy nefa tsy tsaboan’ny havany akory, ka izao nahavanon-doza noho ny olana ara-pitiavana izao. Nanambara moa ireo fokolona mifanila tamin’izy ireo, fa tompo-marika amin’izao vonolona izao ny fianakavian’ilay rangahy, fa soa ihany fa tsy maty ilay ramatoa izay mbola andrasana ny fitoriany aorian’ny fahasitranany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ilay rangahy hiatrika famotorana, ka ho hita eo ny tohiny na hisy fandefesana azy eny amin’ny hopitalin’adala eto Toamasina hotsaboina.
Malala Didier




