Fanamby napetraky ny kaomisera Rakotovao Jean Christian tamin’ny fametrahana azy teo amin’ny maha kaomisera misahana ny tanànan’i Toamasina renivohitra azy, ny ho fanatsarana ny toeram-piasan’izy ireo, « hôtel de police » ; no sady toeram-ponenan’ny kaomisera ihany koa. Mandeha tsara ny asa na ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny olan’ny coronavirus asa no nanombohana izany teto Toamasina. Efa miditra amin’ny fandokoana ny trano izy ireo ankehitriny ; ka nanohana ny asa mandeha ireo avy amin’ny vondron’ny teratany Sinoa, « Communauté Chinoise », eto Toamasina ; izay nanolotra loko mitentina 10.000.000 ariary. Nomarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa ilaina ny fifanampiana amin’ny asa tahaka izao, fa tsy vitan’izy ireo irery ny asa atao rehetra ka mila fifanomezan-tanana avy amin’ny tsara sitrapo rehetra amin’izany ny polisy. Mbola nambaran’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian hatrany fa tsy ny foto-drafitrasa ihany no havaozina tahaka izao, fa eo koa ny fomba fiasan’ny polisy. Izay no nahatonga azy nilaza fa tsy maintsy ho hita sy tratran’izy ireo ilay nitifitra mpivarotra hody tao amin’ny « Bazar Dépôt » iny, satria efa fantapantatra izy ireo no nahavita an’iny noho ireo zava-nisy sy ny fakaroham-baovao nataon’ny polisy. Ankoatra izany dia mitohy ihany koa ny ezaka ataon’ny polisy miaraka amin’ny namany Emmo-Règ eo amin’ny fanaraha-maso ny hamehana ara-pahasalamana nolazain’ny filoham-pirenana ; ka ny fampiharana ireo fepetra samy hafa mifandraika amin’izay, indrindra ny fanajana ny « Couvre à Feu » amin’ny alina. Aoka tsy handrasana hahidy hoy ny polisy vao hikatona fa vao tonga ny amin’ny 09ora alina fiatomboan’izany « Couvre à Feu » izany dia tokony efa mikatona ny fivarotana rehetra.
Malala Didier