Mbola mipetraka sy manan-kery hatrany ny filazana fitadiavana na “avis de recherche” ho an’ilay mpamily namaky ny tranon’ny Karàna mpampiasa azy tetsy Ampahibe (Cité Platon) tamin’ny 11 aprily lasa teo, sy fikarohana ilay fiara 4X4 “Mazda BT 50 double cabine” miloko volombatolalaka (gris) mitondra ny laharana 6979 TBD, raha ny fampitam-baovao azo avy amin’ny polisim-pirenena. Ny sampana misahana ny heloka bevava (BC) no manao izany fampahatsiahivana izany manoloana ny savorovoro mikasika ity raharaha ity, noho ny filazana fa ao amin’ny fonjan’Ankazobe io olona voalaza anarana tamin’ny “avis de recherché” io ary tsy nivoaka tao mihitsy fa tsy araka izay voalaza tamin’ny haino aman-jery. Nambara tamin’izay fa tokony hifonja mandra-pahafaty ao Ankazobe ity olona nahavita heloka tamin’ny mpampiasa azy ity. Mampiaka-peo mantsy ankehitriny ny sendikan’ny Mpandraharaha ny fonja fa fanalam-baraka azy ireo no nataon’ny polisim-pirenena raha namoaka iny vaovao milaza ny mombamomba ity olona karohina ity iny. Midika ve izany fa olona roa samihafa ilay voafonja sy ilay mpamily karohina, ka ny polisy no nanao fahadisoana tamin’ny fanadihadiana nataony ?
Manoloana izany dia manamafy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena fa na inona na inona lazaina manodidina ity raharaha ity, ny sarin’olona nahely mba hikarohana ity mpangalatra ity dia isan’ireo antontan-taratasy nananan’ilay Karàna voaroba momba ity mpamily niasa tao aminy ity. Noho izay antony izay indrindra no nanipihan’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava fa mitohy ny fanadihadiana mikasika iny raharaha iny. Koa miangavy ny be sy ny maro ny tenany mba tsy hihevitra zavatra hafa afa-tsy ilay sary sy ilay fiara ihany.
T.M.