- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Karandohan’olona enina hita teny amoron’Ikopa

Alasora : Karandohan’olona enina hita teny amoron’Ikopa

Vono olona ? Halatra taolam-paty ? Hatreto mbola mifono mistery tanteraka ny zava-nitranga tetsy amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo, ao anatin’ny kaominina Alasora. Omaly maraina, karan-dohan’olona miisa enina be izao no nisy nahita teo amoron’Ikopa iny. « Nisy nampandre izahay teto anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy ny fisian’ity tranga ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana izahay ary tena nahita ny zava-nisy tokoa. Karandohan’olona enina nifono tao anaty lamba no hita » araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany misahana ity kaomisaria ity. Raha ny voalazan’ny teo anivon’ny kaominina indray dia voalaza fa tovolahy iray nanjono teny an-toerana no nahita azy io voalohany ary nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra. Hatreto tsy fantatra mazava araka izany, na avy aiza na avy aiza ireto taolambalo ireto. Taorian’ny fitsirihana dia nentina nalevina teny amin’ny fasan’ny kaominina teny Ambohidrazaka ireto taolana ireto. «Ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity, tsy maintsy hosokafana, hoy hatrany ny teo anivon’ny pôlisy, saingy hatreto, tsy misy ny olona atao famotorana aloha mandram-piandry izay mametraka fitairanana»

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici