- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKaraoké : Mpitandro filaminana sandoka manao fisamborana

Karaoké : Mpitandro filaminana sandoka manao fisamborana

Niainga tamin’ny fisian’ny vehivavy iray izay niditra tao anatin’ireny toerana ireny ny raharaha. Nanatona lehilahy iray izay nipetraka irery izy ary nizara ny alahelony teo. Nohazavainy fa tratran’ny vadiny niaraka tamin’olona izy ary niteraka olana be izany. Taorian’izay dia nangataka fahana mba ahafahany miantso ny vadiny izy mba handaminana ny raharaha. Noho ny fangorahana dia tsy fahana no nomen’ilay lehilahy fa ny findainy mihitsy. Nivoaka ilay vehivavy ary niantso olona tokoa. Rehefa niverina izy ka nipetraka elaela teo dia nisy olona niantso ilay finday nampindramina azy. Vao nivoaka ny trano ilay lehilahy tompony dia lehilahy maromaro no niandry azy teo. Ny iray nanao fanamian’olon-tsotra ary ny ambiny kosa nanao fanamiana mpitandro ny filaminana. Mitondra menotte mihitsy. Norahonana ilay lehilahy fa nangalatra ny vadiny. Vita izay dia saika hofatorana rojovy ary hoentina eny amin’ny biraon’ireo mpisambotra. Soa fa mba nisy faharanitan-tsaina ilay lehilahy ka nangataka ny taratasy fahazoan-dàlana ny nisambotra azy. Nanomboka nitangorona ny olona ary nahatakatra tsikelikely ny fisiany fikasàna hisoloky. Ny niafarany dia niala moramora teo an-toerana ireo nisandoka sy ilay nilaza ho tompom-bady. Teo vao nibaradaka ny mpiasa eo anivon’ilay karaoké ka nanazava fa tambajotra mpanendaka ireo olona. Mody entin’ireo izay voajono ary endahina amin’ny mangingina. Mivoatra hatrany ny fiasan’ny mpanao asaratsy eto an-drenivohitra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici