- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversKardinaly SE Mgr Tsarahazana Désiré : Tena nampifankatia ny Malagasy ny Barea

Kardinaly SE Mgr Tsarahazana Désiré : Tena nampifankatia ny Malagasy ny Barea

kardinaly SE Mgr Tsarahazana Désiré

Isan’ireo Malagasy nanaraka ny lalao nataon’ny Barean’i Madagasikara tao anatin’ny lalaon’ny CAN 2019 tany Egipta iny ny kardinalin’i Madagasikara SE Mgr Tsarahazana Désiré. Nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny birao fiasany eny Ampasimazava misy ny katedraly katolika no nilazany sy nanaovany teny fohy momba ny zava-misy eto amin’ny firenena.

Nahatsapa ny tenany, indrindra tamin’ireo toerana nalehany tao anatin’ny fitsidiham-paritra nataony teo anivon’ny arsidiosezin’i Toamasina, nataony tamin’ity volana jolay ity, fa nampiray fo sy nampifankatia ny Malagasy ny Barea tamin’ireo lalao nataony rehetra. Saika niray fo tamin’ny Barea avokoa ny Malagasy rehetra. Isan’izany ny tany Marolambo izay notsidihany ny faran’ny herinandro teo, hany ka hadino ny disadisa politika sy ny olana ara-piainana andavanandro ary ny resaka politika nampifanolanana. Tsara tohizana izany satria ny fiarahan’ny Malagasy rehetra mientana dia miteraka fahombiazana amin’ny firenena.

Ankilan’izany dia nomarihan’ny kardinalin’i Madagasikara SE Mgr Tsarahazana Désiré ihany koa fa hivory voalohany ny talata 16 jolay izao ny solombavambahoakan’i Madagasikara. Aoka ho tena mendrika ny ho solombavambahoaka marina ianareo, hoy ny kardinaly, ka tena hanompo vahoaka marina fa tsy hotompoina, tena ho mpiaro ny marina sy rariny ary hiady amin’ny fahalovana tanteraka fa tsy ho mpiray petsapetsa amin’ny ratsy izay tena nanimba ny firenena malagasy.

Ankoatra izay dia  nasian’ny kardinaly resaka ihany koa ny ho fahatongavan’ny papa François eto amintsika ny volana Septambra izao. Aza sakanana ny olona rehetra te-hanatrika izany fahatongavan’ny papa ray masina izany, hoy ny kardinaly, fa izay rehetra afaka mamonjy izany dia asaina avokoa ho avy, satria fotoana manan-tantara amin’ny fiainan’ny Malagasy ny fitsidihana hataon’ny papa François eto amintsika io.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici