Tsy nisalasala ny kardinaly SE Tsarahazana Désiré nanazava mikasika ny hevitry ny fiangonana katolika sy ny hevitry ny papa François, tamin’ilay horinan-tsary 21sec niseho tamin’ny sarimihetsika nandritra ny « festival du cinéma » iray tany Italie, izay mitondra ny lohateny hoe « francesco » ny 21 oktobra 2020 teo.
Milaza ny horonan-tsary fa eken’ny fiangonana katolika sy ny papa françois ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana, ary notarihina teto Madagasikara izany nandritra ny fanadiahadiana fahitalavitra iray teto amintsika. Nomarihan’ny kardinaly SE Tsarahazana Désiré tamin’ny fanambarana nataony, fa sary natambatambatra na (vidéo montage) no nilaza izany hevitra 21sec niseho tamin’ny sarimehitsika izany, satria famaliana fanontaniana mpanao gazety miteny Espagnol nadika amin’ny teny Italiana no nataon’ny papa François tany Mexique 18 volana talohan’ny nivoahan’ity horonan-tsary ity. Koa maro ny fandikana vilana nataon’ilay mpanao horonan-tsary Rosiana nanao ity “video montage” ity, mba entiny manaporofo fa manaiky ny fanambadian’ny mitovy fananahana ny fiangonana katolika sy ny papa François. Tamin’ny fotoana nivoahan’ilay valim-panontaniana nataon’ity mpanao gazety Mexicain ity teo aloha anefa, dia tsy nisy ny ahiahy tamin’ireo mpino katolika nihaino izany tamin’izany. Nomarihan’ny kardinaly SE Tsarahazana Désiré hatrany tamin’ny fanambarana izay nataony omaly ihany, fa tsy miova ny hevitry ny fiangonana katolika mikasika ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana izany hatramin’izao, araka ilay lahatsoratra navoakany ny 19 septambra 2016 mitondra ny loha-teny hoe « Ny hafalian’ny fitiavana ». Vokatra izany dia mila mailo ireo mpino samy hafa sy ireo mpino katolika mba tsy handairan’ny lainga ara-baovao misy any ivelany sy eran-tany any, satria tsy izay mivoaka amin’ny mpampahalala vaovao eran-tany no atao hoe « vaovao marina ».
Te-hanova zavatra maro ny mpanao horonan-tsary namoaka ity horonan-tsary fanadihadiana « Francesco » ity, nefa ao anatin’ny filazana ny tsy marina no ataony amin’izany, mba entina hanakorontanana ny mpino sy ny finoana katolika. « Tano mafy sy Hamafiso ny finoanao » hoy ny kardinaly, satria izay ihany no hery entina mandresy ny zava-misy.
Malala Didier