- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversKariera vaky ao Soanierana Ivongo : Tonga manara-maso ireo vahiny ny “police des...

Kariera vaky ao Soanierana Ivongo : Tonga manara-maso ireo vahiny ny “police des mines”

Mbola tsy fantatra mazava ny tena zava-misy mikasika ilay voalaza fahavakisana karierana safira sy “rubis” ao amin’ny kaominina Antenina, distrikan’i Soanierana Ivongo ity. Hatreto tsy nisy ny tena nanamarina ny zava-misy any an-toerana, fa mbola samy tatitra avokoa no ren’ireo tompon’andraikitra noho ny fahalaviran’ny toerana sy ny fahasarotan’ny fihazoana ity kaominina Antenina ity. Vokatr’izay dia misy tonga tsikelikely koa ireo teratany vahiny mpividy ity vatosoa harena an-kibon’ny tany ity, koa isan’ireny ireo teratany thailandais. Manao andiany fito hatramin’ny folo ny fahatongavan’izy ireo ao Soanierana Ivongo, mikasa ny hividy ireto vatosoa sy harena an-kibon’ny tany malagasy ireto. Nefa raha ny angom-baovao natao tamin’ireo mponina tany an-toerana sy ireo trano fandraisam-bahiny ary nohamafisin’ireo mpitandro ny filaminana, dia mody maina tsy mahita mpivarotra ity voalaza fa safira sy “rubis” ity izy ireo, na maharitra manomboka amin’ny herinandro hatramin’ny roapolo andro ny fijanonan’izy ireo any an-toerana mandritra izany. Noho ny fielezan’ny vaovao amin’ireto teratany vahiny misy milaza fa mameno tanana ao Soanierana Ivongo ireto, dia tonga any an-toerana ireo “polices des mines” misava sy manara-maso azy ireo amin’ny fanarahan-dalana ara-taratasiny mikasika ny fividianany sy fanangonany ireo vokatra safira sy “rubis” avy ao Antenina ireo. Hatreto anefa, dia tsy mbola nisy ireo teratany vahiny tratra nividy izany vatosoa izany, ny taratasy fahafahana mipetraka eto amintsika ho azy ireo koa ara-dalana ka manan-jo hivezivezy eran’ny Nosy izy ireo, tsy ahitana fitaovana fitiliana na fandanjana izany sy vola be hahafahana mividy izany koa eny amin’izy ireo. Na izany aza, dia mila mailo ireto “polices des mines” ireto satria lalana telo no ahafahana miditra ny kaominina ao Antenina, ny voalohany miainga ao Soanierana Ivongo, ny faharoa miala ao Mananara Avaratra, ary ny fahatelo dia miditra avy any Mandritsara faritra Sofia.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici