Telo taty aorian’ny nangalan’ny sasany an-keriny ilay teratany karana teny Ambohimanambola, tsy mbola nandrenesam-baovao mikasika izany. Ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao dia ny hoe, toa misy olona maromaro ka anisan’izany mpitandro filaminana arahi-maso mikasika an’io zavatra io. Resaka re tetsy sy teroa anefa izany fa izay fahamarinany tsy voamarina rehefa avy nanao ny fizahana vaovao ny mpanao gazety. Ankoatra izany, hoy hatrany ny vaovao fantatra, eo anivon’ny mpitandro filaminana hatrany, tsy misy aloha hatramin’izao ny fametrahana fitoriana na fitarainana nataon’ny havan’ilay lehilahy nisy naka an-keriny. Tsy fantatra araka izany na nisy ny fitakiana vola eo anivaon’ny fiankaviany. Efa mandeha kosa ny fitsongoana dia isan-karazany izay voalaza fa manenika ny faritra rehetra mety ahitana an’ity olona ity. Samy liana amin’ny izay ho fizotran’ny fangalana an-keriny ny rehetra sy izay mety hampivaha izany. Voaloza mantsy fa andro antoandro be izao izany no niseho ary tsy visy ny olona nahatsikaritra ny fandehan-javatra.
r.s.