Tafatsoaka teny am-pelatanan’ireo dahalo kosa ny roa tamin’io olona dimy nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, distrikan’Anjozorobe, ny alatsinainy teo. Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny fokonolona, nampian’ireo zazamena, ny zandary sy ny miaramila, tetsy ankilany ary ireo andian-dahalo nitondra olona an-keriny tetsy andaniny. Indroa miantoana mihitsy no nisian’izay, izay raha ny vaovao voaray dia niteraka rà mandriaka ary nahafatesana zazamena roa. Ny voalohany, niseho tsy lavitra loatra ny kaominina Betatao, tokony ho tamin’ny mitataovovonana teo ho eo. Izany hoe adiny enina taorian’ilay tranga nanafihan’izy ireo ny tanànan’Ambohimiarina. Na dia teo aza ny fifamaliana tifitra teo amin’ny roa tonta dia tafaporitsaka teo ihany ireo dahalo nitondra ny hazany. Tokony ho tany amin’ny dimy ora hariva tany ho any indray no nifankatratra taty amin’ny fokontanin’Antanifotsy, kaominina Ambohingamarina. Teo no somary nahery vaika ny fifandonana ary nisian’ny rà mandriaka taty amin’ireo mpanara-dia. “Zazamena” anankiroa no fantatra fa lavon’ireo jiolahy. Volaza kosa anefa, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandary, fa tao anatin’izay fifandonana izay no nahatafatsoaka ny roa tamin’ireo olona voatazona, izay avotra soa aman-tsara ary tafaverina tany amin’ny tanàna nisy azy. Hatramin’ny fotoana nahazoanay ny vaovao omaly moa dia mbola eny am-pelatanana’ireo mpaka an-keriny ny telo tamin’ireo nalaina omaly. Mbola mitohy tsy an-kijanona araka izany ny savahao sy ny hazalambo ataon’ireo mpitandro filaminana sy ireo mpanara-dia, entina manavotra azy ireo. Ankoatra izay kosa dia fantatra fa mbola tsy avotra ihany koa ireo efa-mianaka nalain’ny dahalo an-keriny tany amin’ny kaominina Amparatanjona, distrikan’Anjozorobe, eny fa na dia manao izay azo atao aza ireo mpitandro filaminana miaraka amin’ireo fianakaviana, raha ny vaovao azo omaly hatrany. Mitaraina fatratra araka izany ireo mponina any an-toerana ary miantso vonjy tanteraka amin’ny fitondram-panjakana. Ny valan’aretina mamely, ny asan-dahalo manao ny ataony ary izao nivadika ho fakana an-keriny izao indray.
m.L