- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Ankizilahy 12 taona nalaina an-keriny, 5 tapitrisa onitra notakiana

Kidnapping : Ankizilahy 12 taona nalaina an-keriny, 5 tapitrisa onitra notakiana

Olona roa no fantatra fa voasambotra mahakasika fangalana an-keriny ankizy lahy kely vao 12 taona monja niseho tamin’ny talata faha-4 aogositra lasa teo. Nitaky vola hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary ireo olona ireo. Tsy tanteraka anefa ny fanefana ny vola  takalon’aina notadiaviny fa dia izao tra-tehaka izao ny zava-dratsy nataony.

Tamin’io andro voalaza etsy ambony io dia nisy nandrebireby ilay ankizy teny amin’ny faritr’i Beravina. Olona roa, lahy sy vavy, no niteny taminy hanaraka azy hividy zavatra tamin’ny fotoana nilalaovany. Tsy hay ny zavatra niseho fa nanaraka ilay lahy kely. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nentin’ireo olona roa teny Ankatso aloha izy, ary avy eo tany Alatsinainy Bakaro. Napetrany tao amina trano iray. Rehefa izany dia niantso ny ray aman-dreniny ireo olon-dratsy nilaza fa mila vola hatrany amin’ny 5 tapitria ariary izy ireo. Raha tsy manome izany ry zareo dia nilazana fa ho tapahany ny lohan-janany. Raikitra fa ny alakamisy no fotoana hanomezana ny vola. Voalaza fa tonga teny amin’ilay toerana ireo ray aman-dreny. Tsy hita kosa anefa ireo mpaka an-keriny, ny andro anefa efa miha maizina hatrany. Tetsy an-daniny, rehefa nahafantatra ny vaovao ny polisy dia niezaka nanao fanadihadiana. Nahitana vokany izany ka ny alahady lasa teo, tra-tehaka ireo mpaka an-keriny ireo. Taorian’ny fanadihadiana natao azy, natorony ny toerana nasiany an’ilay ankizy lahy. Nogiazany teny Ankadivoribe. Avotra soa aman-tsara ilaikely. Ny vaovao hatrany no hilazana fa olona mpiara-monina amin’ny ray aman-drenin’ilay ankizy ihany no nanao ity fangalana an-keriny ity. Zara raha misy 500 metatra ny elakelan-trano mampisaraka ny tranon-dry zareo sy ny ray aman-drenin’ilay bandy kely. Ny anton’izao zavatra izao tsy dia mbola fantatra loatra. Ny famotorana hatao an’ireo nahavanona ny heloka no tsy maintsy hahalalana izany.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici