- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKidnapping – Arnaud : Olona iray namoahana didy fampisamborana, vonona handoa vola...

Kidnapping – Arnaud : Olona iray namoahana didy fampisamborana, vonona handoa vola ny renin’i Arnaud

Mitohy hatrany ny fivoahan’ireo anaran’olona ifampitadiavana ao Toamasina sy manerana ny Nosy amin’ny fitadiavana an’i Arnaud, izay feno 36 andro ankehitriny ny nakana azy an-keriny.

Taorian’ireo anaran’olona miisa dimy navoakan’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, sy ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana ny raharaha, dia isan’ny karohana fatratra ao Toamasina sy manerana ny nosy ihany koa izao i “Roly” na Jao Rolin, 31 taona, avy ao Antalaha, izay namana sy mpiara-miasa akaiky tamin’i Marcellin ilay mpandraharaha avy ao Antalaha voasambotra ny sabotsy hariva teo tao Barikadimy. Voalaza moa fa isan’ny mpanao irakiraka tamin’izao fakana an-keriny an’i Arnaud izao ny tenany, ary isany nihazona azy ihany koa. Mbola misy izany dokotera nitsabo azy mianadahy izany ihany koa karohina fatratra ankehitriny, saingy mbola tsy navoaka ny sariny na efa fantatry ny mpitandro ny filaminana sy fitsarana aza ny momba azy io.

Vonona ifandraharaha. Ao anatin’ny raharaha anefa, ny taona 2015 ihany koa efa hifarana, ny fety hiarahabana ny taona vaovao 2016 koa efa akaiky, ka nivoaka tamin’ny fahanginany ny renin’i Arnaud nilazany ny fihetseham-pony sy ny alahelony ary ny fiangaviany amin’ireto mihazona an-janany sy naka azy an-keriny ny hamotsorana azy, fa vonona ny hiresaka sy hifanakalo hevitra amin’ireo andian-jiolahy ireo izy ireo. Nomarihan’ny renin’i Arnaud hatrany anefa fa tsy manana ilay vola be takian’ireto tambajotra mpaka an-keriny ireto izy ireo, nefa vonona ny hanome izay eo am-pelatanany, kosa ka miangavy ny fahatsoram-pon’ireo jiolahy mba handray izany an-tsitra-po ihany koa.

Hisy valisoa. Nandritra ny resaka nifanaovan’ny renin’i Arnaud tamin’ny mpanao gazety ihany koa no nilazany, fa mangataka fiaraha-miasa amin’ny rehetra izy ireo amin’ny fikarohana an-janany. Hisy ny valisoa “goavana” homena ho an’ireo manome vaovao marim-pototra mety hahitana an-janany. Atao ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany, araka ny nambarany, ka azon’ireo olona manam-baovao ireo atao ny miantso ireo mpitandro ny filaminana akaiky azy, na ihany manantona ny fitsarana misahana ny raharaha. Tsy hisy izany arakaraka ho an’ny mpanome ny vaovao izany.

Mahatratra 18 ireo efa miandry fitsarana am-ponja voarohirohy amin’ity raharaha fakana azy an-keriny ity. Ka isan’ireny ireo polisy roa lahy miasa ao Toamasina, ilay mpandraharaha ny fonja, ilay mpiraki-draharaha misotro ronono nahatrarana ilay fiara Mitsubishi tao an-tranony nofain’olona tao Andranomadio, sy ny zanany vao niditra am-ponja omaly, ary ilay mpamily tena itokisan’ny fianakavian’i Arnaud, sy rahalahina mpitsara ihany koa ary namana akaikin’i Lejo mbola ifampitadiavana.

Voarohirohy ho mpiray tendro mantsy ny tenany ankehitriny satria voaporofo izao fa tsy nisy fanakanana azy ireo nandritra ilay fakana an-keriny, ary tsy nisy fanambanana basy izany ihany koa, fa ity mpamily ity mihitsy no nody nivoaka ny fiara nijery kodiarana mba hanamora ny fidiran’ireo andian-jiolahy naka azy mianadahy an-keriny tamin’io 23 novambra nitrangan’ny raharaha io.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici