- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Maty notifirin’ny BC tetsy Andranobevava i Bina

Kidnapping : Maty notifirin’ny BC tetsy Andranobevava i Bina

Fanafihana mitam-basy sy fakàna an-keriny. Izay no anton’ny nikarohan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana heloka bevava (BC) an’i Bina. Tovolahy 33 taona io farany ary nosokajian’ny BC ho rainindahiny. Efa nifampitadiavana hatrany Mahajanga izy rehefa nahavita heloka bevava tany Antsohihy sy Sambava. Tafaporitsaka hatrany anefa izy sy ny ekipany izay raha araka ny vaovaon’ny pôlisy dia mitazona basy kalachnikov miisa roa ary poleta iray. Efa hatramin’ny volana novambra tamin’ny taon-dasa no nanomboka ny fitadiavana azy saingy nandamoaka hatrany izany. Ny alarobia teo no voaporofo fa nihodidina teny Andranobevava ity fikambanan-jiolahy ity, rehefa narahina nandritry ny fotoana maro. Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva, raikitra ny fanenjehana teny an-toerana. Namaly tifitra ireo olon-dratsy ary teo no nifampitana ny roa tonta, raha araka ny fanazavan’ny pôlisy. Lavo tao anatin’izany i Bina raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa nitazona basy kalachnikov roa ihany koa.

Mbola tratra tena amin’i BINA ny basy P.A iray miaraka amin’ny bala efatra. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany roa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici