- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping : Maty voatifitra i Rajim, tanan-kavanan’i Lamà

Kidnapping : Maty voatifitra i Rajim, tanan-kavanan’i Lamà

Anisan’ireo olon-dratsy karohina fatratra, tompon’antoka tamin’ireo trangana fakàn-keriny niseho lany teto amintsika i Marcel Heritoavina Jimmy, fantatra amin’ny anarana hoe Rajim, izay lefitr’i Lamà rahateo. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra azonay dia maty voatifitra omaly maraina, tany Arivonimamo ity jiolahy rain-dahiny ity raha nikasa ny hitsoaka.

Raha ny vaovao voangona hatrany dia ny talata lasa teo izy no toa hoe hita nihaodihaody teny amin’iny faritra manodidina an’i Besarety iny ary nosamborina avy hatrany.  Nentina natao famotorana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava tetsy Fiadanana izy. Tamin’izany no voalaza fa hoe nanekeny ny hiaraha-hiasa amin’ireo mpitandro filaminana, hanoro ny toerana misy an’ilay namany iray antsoina hoe Herman na i « Man », izay isan’ireo olona mpiara-miasa akaiky amin’i Lamà ihany koa ary mbola tafiditra ao anatin’ireo olona nokarohina fatratra.

Loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandary hatrany no nahafantarana fa   tany amin’iny faritr’Imamo iny no miafina ity jiolahy iray ity. Nidina tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, niaraka tamin-dRajim omaly tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Teny an-dalana anefa dia voalaza fa nitrangana tsy fahatomombana ara-teknika teo amin’ny fiara nitondra azy ireo ka voatery nijanona, raha ny vaovao azo hatrany. Tamin’izay fotoana izay no nanararaotan’ity farany nitsoaka. Na dia teo aza ny fampitandremana am-bava nataon’ireo nitondra azy dia hoe tsy nety nijanona izy fa vao mainka nanao tari-dositra. Hany ka voatery nampiasa basy ireo zandary ka nitifitra azy. Naratra mafy vokatr’izay i Rajim ary noezahina nentina tany amin’ny hôpitaly tao Arivonimamo, saingy tsy avotra intsony moa ny ainy teny an-dalana.

Marihana fa 200 tapitrisa ariary no vola hanambazana izay olona manome vaovao ahafahana misambotra azy roalahy ireto dia i Rajim sy Man. Efa maty moa izany iry voalohany, mbola mitohy araka izany ny fikarohana ity farany.

m.L / T.M

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici