- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping : Mpitsikilo ny karàna voasambotra

Kidnapping : Mpitsikilo ny karàna voasambotra

Tsy mbola misy hifandraisany amin’ilay famonoana ho faty an’ilay teratany indopakistanais afak’omaly aloha ity fisamborana ity fa kosa ezaka famongorana ny mpaka an-keriny eto an-drenivohitra. Voasambotra I Albert Sylvain, fantatra amin’ny anaran-jiolahy “Bera”. Izy no notondroin’ireo namany izay efa naiditra am-ponja ho mpanome vaovao azy ireo momba izay olona hatao lasibatra. Nohamarinina izany ary notsirihana ny antsony amin’ny finday. Narahi-maso hatrany ihany koa ny fihetsiny ary teo no naharesy lahatra ny mpanao fanadihadiana fa misy hifandraisany amin’ny jiolahy mpanao fakàna an-keriny ity lehilahy ity. Nosamborin’ny pôlisy ary rehefa nohamarinina dia mpiasa eo anivon’ny karàna eny Andravoahangy ihany izy. Miray tsikombakomba amin’ny jiolahy antsoina hoe Rivo sy Donatien, efa samy naiditra am-ponja eny Tsiafahy nanomboka ny alakamisy lasa teo, ary fikamban-jiolahy izay nanaovana fakàna an-keriny telo samihafa no tafiditra ao anatin’ny asaratsy izay heverina fa efa vitan’izy ireo. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fanafihana tobin-tsolika izay voasokajy ho isan’ny efa nataon’ireo ihany koa. Nanentana ny pôlisy ny mba hiantsoana avy hatrany ny 0340551726 raha misy ny manam-baovao mahakasika ny olon-dratsy eto an-drenivohitra. Hotanan’izy ireo ho tsiambaratelo tanteraka ny amin’ireo olona izay manampy amin’izany.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici