- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping sy fanolanana : Nidoboka am-ponja i Jimmy sy ny vadiny

Kidnapping sy fanolanana : Nidoboka am-ponja i Jimmy sy ny vadiny

Nadoboky ny PAC eny Tsiafahy.

Eny Tsiafahy i Jimmy ary eny Antanimora kosa ny vadiny. Izay no fanapahan-kevitry ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana  misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny « pôle anti-corruption ». Nidoboka am-ponja vonjimaika izany izy mivady mandra-piandry ny fitsarana azy ireo. Ny asabotsy teo no nohadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo raha ny zoma kosa no nandalo tetsy amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, tetsy Anosy. Izany ambaratonga nandalovan’ny dosie izany, dia midika fa tsy natao ambanin-javatra ny fikirakirana ity raharaha ity. Nanavesatra ny fiampangana an’i Jimmy koa ny maha mpamerin-keloka azy ary indrindra, efa nalaza ho mpanao kolikoly izy rehefa sarona sy tsaraina. Ny an’ny vadiny indray dia ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fanafenana azy no tena antony nitazonana azy. Izany dia nandritra ny fotoana nikarohana sy nisamborana an’i Jimmy. Raha tsiahivina, dia nanao fakana an-keriny teny amin’ny manodidina an’Ambohidratrimo ity lehilahy ity. Tovovavy roa izay nampiresahany tamin’ny tambajotra sosialy «facebook» no nanaovany fotoana rehefa notambazany finday vaovao. Tonga tokoa ireo ary avy hatrany dia nentiny nitsoaka rehefa norahonany tamin’ny fitaovam-piadiana. Ny fisian’ny iray tamin’ireo tovovavy izay mba tafatsoaka ka nitantara tamin’ny mpitandro ny filaminana no nahafantarana ny zava-nisy. Teo dia efa nanomboka ny fikarohana an’i Jimmy. Tao anatin’izay koa anefa dia tafatsoaka ihany ilay tovovavy faharoa izay indrisy, fa efa voaolana. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ny zandary avy etsy Ambohidratrimo tao anatin’izany rehetra izany ary nanomboka hita ny fiaran’i Jimmy rehefa nandeha ny fisafoana hatreny amin’ny lalam-pirenena. Raikitra ny fifanenjehana ary tonga hatreny Manakambahiny izany. Hitan’i Jimmy fa ho ratsy ny tantara dia najanony teo an-toerana ny fiara tsy mataho-dàlana mitondra ny marika Rexton ary izy kosa tafaporitsaka. Nanantena izy, fa tsy misy izay tsy vitan’ny vola ary sahiny, tany am-pitsoahana tany, ny niantso an-telefaonina ny zandary. Nampanantenainy vola mitentina enina tapitrisa ariary izy ireo mba handaminana ny raharaha. Torak’izany koa ny ray aman-drenin’ireo tovovavy. Tsy nisy nanaiky ny telo tonta ary dia nitohy ny fikarohana. Nanaovan’ny zandary vela-pandrika ary voasambotra ihany i Jimmy. Ny vadiny koa dia noraisina ho mpiray tsikombakomba taminy. Mila mitandrina ny tanora amin’ny fampiasana tambajotra sosialy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici