- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers« Kidnapping » tao Andriamena : Nahazo fandrahonana ho faty ny lehiben’ny Dina ao Tsaratanana

« Kidnapping » tao Andriamena : Nahazo fandrahonana ho faty ny lehiben’ny Dina ao Tsaratanana

Na teo aza ny fahatratrarana ireo efa-dahy voarohirohy tamin’ilay fakana ankeriny ny mpiasa mapanao lalana avy ao amin’ny orinasa Kraoma tao Adriamena, distrikan’i Tsaratanàna dia mbola azo lazaina fa tsy milamina iny raharaha iny. Milaza ankehitriny toa Rija lehiben’ny Dina ao Tsaratanàna fa nahazo fandrahonana avy amin’ireo dahalo noho izy voalaza fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fanavotana ireo mpiasa ireo.

Araka ny fantatra ary namafisin’ity lehibena Dina ity dia dahalo ny tenany teo aloha saingy efa niova fo ka izany no nahatonga azy ho voafidy amin’io toerana misy azy ankehitriny io. Noho izany, fantany tsara iny toerana iny indridra fa ireo toerana mafampana sy fiheren-jiolahy ka tsy nikely soroka niara-niasa tamin’ireo mpitandro ny filaminana ny tenany mba hanavotana  ireto mpiasa nalaina ankeriny ireto. Araka ny fanazavany, niaraka hatrany tamin’ireo zandary avy ao amin’ny « Groupement  Betsiboka »  ny tenany  sy ireo ekipany nandritra ny fanenjehana sy ny fikarohana ireo jiolahy ireo. Saingy, gaga izy raha nosakanana tsy hiala teo Antampoketsa ry zareo rehefa fantatra ny toerana misy ireo takalonaina sy ireo mpaka ankeriny raha tsy vita ny fifanakalozana eo amin’ny vola notakiana sy ireo takalonaina. Zavatra tsy tokony hitranga izany satria, raha ny fanambarany, dia fantany tsara ilay toerana voalazan’ireo jioalahy ka izany no nahatonga azy niangavy hoe : izy no hitondra ny vola voalaza any amin’ireo jiolahy hahazoana mamandrika ireto farany.  Fisakanana izay nomarihiny fa vokatry ny fisian’ny olona efa nisy nampadre ireo jiolahy fa miaraka amin’ireo zandary ao Antampoketsa ao ny tenany sy ny mpiara-dia aminy.

Tsy nohenoina mihitsy ny tolo-keviny satria , araka ny nambarany,  dia toa misy olona miaro mihitsy ireo jiolahy ireo. Isan’ny ahiahiany amin’izany ireo manam-pahefana any an-toerana izay voalaza fa nandray andraikitra voalohany tao anatin’io fifampiraharahana tamin’ny jiolahy mpaka ankeriny io. Notonony manokana tamin’izany moa ny Depioten’i Tsaratanàna sy ny manamboninahitra iray ao amin’ny zandary ary ny ben’ny tanàna. Ankehitriny, manambara ny tenany  fa toa mifotitra aminy ity raharaha ity . Milaza izy fa misy ny fandrahonana ataon’ireo jiolahy aminy sy ny fianakaviany. Tsy vitan’ny fandrahonana tsotra fa fifofoana ny ainy mihitsy. Manahy izy satria mbola betsaka ny naman’ireo dahalo ireo no mbola mirihariha any. Manoloana izany, miangavy ity lehiben’ny Dina ity mba handraisan’ny manampahefana isan’ambaratongany andraikitra mba hiarovana ny ainy sy fianakaviany. Isan’izany ny hamonjana tsy misy fepetra ireo izay efa voasambotra.

Ratantely \ T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici