- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping tetsy Ankorondrano : Tsy nisy “plainte” tonga eny amin’ny pôlisy

Kidnapping tetsy Ankorondrano : Tsy nisy “plainte” tonga eny amin’ny pôlisy

Nalaina an-keriny teo Ankorondrano, manodidina ny tamin’ny fito ora sy sasany hariva, afak’omaly ny karàna iray izay tompon’ny orinasa mpivarotra fiara sy môtô eo Ankorondrano. Hatramin’ny omaly, dia mbola tsy hita izay nanaovan’ireo olon-dratsy azy io, raha araka ny fahafantaran’ny mpitandro ny filaminana miandraikitra ny heloka bevava. Ny teo anivon’ny pôlisy dia nanambara mazava, fa tsy mba nisy fitarainana na fampandrenesana avy amin’ny fianakaviany mahakasika ny fisian’ity raharaha ity. Olon-tsotra sy ny gazety no nahafantaran’izy ireo ny zava-nitranga. Na izany aza dia efa azo nanokafana fanadihadiana izany. Isan’ny manahirana amin’itony raharaha fakàna an-keriny itony, ny tsy faneken’ny fianakavian’ny olona voakasika ny hiara-hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana. Rehefa ampitahorin’ny jiolahy izy ireo, fa raha vao miantso manampahefana dia vonoina avy hatrany ilay havany,  dia manaiky tokoa. Vokany, lasa faran’izay mora amin’ny jiolahy ny manatontosa kidnapping. Ny hany sarotra dia ny fangalana ilay olona sisa. Ny tohiny mantsy dia efa fantatr’ireo fa tsy ho lasa lavitra ny fanadihadiana. Misy mihitsy ny karàna no in-droa na in-telo niharan’ny kidnapping teto Andrenivohitra, satria zatra ny làlan-dririnina ireo jiolahy izay mety mahatsikaritra izany fahamorana izany. Toa matoky tena rahateo ireo, satria tsy mijanona ela any am-ponja izany noho ny fananany “lamosina” matanjaka. Mazava ireny fitarainan’ny mpitandro ny filaminana ireny, fa rehefa mba mahazo olona izy ireo amin’ny resaka kidnapping, dia saika olona efa mpamerin-keloka, ary heloka mitovy hatrany. Olona mbola tsy nahavita sazy akory, dia efa miverina manao fakana an-keriny indray. Izany hatrany no miverimberina ao anatin’ny raharaha kidnapping. Nisy fotoana dia ny pôlisy frantsay no voatery niditra an-tsehatra ireo namany Malagasy tamin’ny fanaovana fanadihadiana momba ireo mpanao ratsy amin’io resaka io eto amin’ny Nosy. Teo amin’ny roa herinandro teo izy ireo dia nahavita nanangona dosie maro izay notanany ho tsiambaratelo ary nalefa avy hatrany tany amin’ny praiminisitra tamin’izany fotoana. Tsy afaka ny nanao fisamborana izy ireo, satria tsy manana fahefana amin’izany, saingy nanome anarana maro kosa tao anatin’ilay dosie. Aiza ho aiza ny tohin’izany?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici