- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversKidnapping Toamasina : Nalefa eny Anosy sy eny amin’ny fonjan’Ambatolampy ireo olona

Kidnapping Toamasina : Nalefa eny Anosy sy eny amin’ny fonjan’Ambatolampy ireo olona

Tsy misy vaovao ôfisialy mahakasika ireo olona rehetra nalaina tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy sy tao amin’ny pôlisy mpanao fanadihadiana tao Toamasina, na izany aza dia fantatra avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana fa nalefa eny amin’ny fonjan’Ambatolampy ireo 24 efa nidoboka am-ponja. Ireo ambiny koa, izany hoe ireo olona valo izay mbola natao fanadihadiana tao amin’ny pôlisy, dia nalefa ao amin’ny pôlisy mpanao fanadihadiana etsy Anosy, na ny “brigade criminelle” izany. Tsy misy mangarahara intsony amin’ity raharaha ity ary mitady ho lasa adin’ny vondrona efatra samihafa, dia ny mpitsara, ny mpanao gazety, ny mpitandro ny filaminana ary ny mpiandry fonja, no voizin’ny sasany. Amin’izay mandeha ho azy fotsiny amin’izay tiana hanaovana azy ireo olona ireo. Toraka izany ihany koa, rehefa variana amin’ny fifanakianana eo ireo vondrona ireo dia mazava ho azy fa ho takona ary tsy ho tonga any amin’ny fizorana amin’ny famantarana ny tena atidoha nikotrika ny kidnapping ny fanadihadiana. Fantatra fa nisy ny taratasy natao tamin’ny 13 janoary teo, iray andro talohan’ny namindràna ireo voafonja, ny amin’ny fanomezana alàlana io famindràna io. Na izany aza anefa dia tsy mbola mazava hoe alàlana avy aiza satria na ny eo anivon’ny fitsarana aza dia samy mifampanontany tena ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ity raharaha ity. Raha araka ny lalàna velona dia na ny mpitory, na ny tonia mpampanoa lalàna isan-karazany eo anivon’ny ambaratongam-pitsarana samihafa no afaka manome izay alàna izay. Hatreto anefa dia tsy nisy nanamarina izany ireo voalaza ireo, izany hoe ny amin’ny fangatahana famindràna ny fanadihadiana. Avy aiza ary izany ny baiko? Mbola misy ve ny tany tan-dalàna raha ny fitsarana izay fototry ny fanjakana tsara tantana no iharan’ny baiko tsy fanta-piaviana?

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici