- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Tra-tehaka Ra-maitre, naman’i Djaffar

Kidnapping : Tra-tehaka Ra-maitre, naman’i Djaffar

Jiolahy raindahiny tanteraka amin’ny fakàna an-keriny teratany karàna, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Ra-maitre, no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava, teny amin’iny faritra Antaninarenina iny ny herinandro lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia isan’ny naman’i Djaffar, ilay jiolahy efa kalaza amin’ny resaka « kidnapping » teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra, ary efa migadra eny Tsiafahy ity Ra-maitre ity. « Nandritra ny fisamborana azy dia hita tany aminy ny sarin’i Saholy vadin’i Djaffar. Ity farany izay mbola misazy eny Tsiafahy noho ny resaka fakana an-keriny karàna ihany », hoy ny vaovao. Isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny an’i Rafik Djafaraly, tompon’ny tranombarotra Conforama, nitranga efa ho roa taona lasa izay ity jiolahy ity, niaraka tamin’ireo roalahy namany hafa dia Giovani sy Damy Julio. Efa votsotra moa io karàna io, ary efa voasambotra ireto roalahy namany ireto, saingy mbola nokarohina fatratra kosa Ra-maitre, izay voalaza fa atidoha nikotrika sy tao ambadik’ilay fakàna an-keriny. Efa natolotra teny anivon’ny Fitsaràna ny raharaha ka nampidoboka ireo roalahy voasambotra eny Tsiafahy. « Namoaka “delegation judiciaire” ny fitsarana hanohizana ny fikarohana ireo namany », hoy ny fampitam-baovao ka izao tra-tehaka izao Ra-maitre. Fantatra ihany koa izao fa ity farany no « namely daka ilay zandary mpiambina ka naka ny basiny ». Fa ankoatra io raharaha iray io, dia voalaza ihany koa fa mbola misy raharaha fakàna an-keriny hafa sy maromaro mbola hanaovana fanadihadiana ity olon-dratsy ity, raha ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici