- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping : Voafandrika ireo tanora niketrika izany

Kidnapping : Voafandrika ireo tanora niketrika izany

Fandrahonana ho faty, fitakiana volabe ary fikasana haka an-keriny. Ireo no vesatra ara-pitsaràna itazomana ny tanora telo izay niketrika kidnapping tao Ambohimanambola-Mandoto. Fianakaviana iray no norahonan’ireo tamin’ny finday fa hanao fakàna an-keriny raha tsy manome mialoha ny vola izay takian’ireo olon-dratsy. Taorian’ny fametrahana fitoriana dia nanao vela-pandrika ny zandary ka ny olony ihany no nasaina nanatitra vola mitentina 200.000 ariary mba ho vodiondrim-barotra. Dia nipoitra tokoa ny roa lahy teo ary noraisim-potsiny. Efa feno zandary nanao fanamiana sivily ny toerana. « Mbola nisy namany hafa niandry teny amin’ny manodidina nikasa handositra. Tsy maintsy noraisina ny fepetra nitifirana azy, satria nisy basy teny aminy. Naratra teo amin’ny feny ilay lehilahy », raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. Notohizan’ireo mpitandro ny filaminana fa vao 16 taona sy 21 taona ireo voasambotra voalohany raha 25 taona kosa ilay voatifitra ka naratra. Mbola nisy naman’ireo tafaporitsaka tamin’io fotoana io kanefa voasambotra taorian’ny fanadihadiana natao ireo efa azo. Enin-dahy ny totalin’ny olona notazomin’ny zandary momba ity raharaha ity ary nisy basy vita gasy iray sarona sy finday maromaro niaraka tamin’izy ireo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici