Tao Ambatomainty, tanàna iray ao amin’ny distrikan’Amparafaravola, no nitranga ity heloka bevava ity. Zaza telo mpianadahy no indray nalain’ny jiolahy. Notafihana tao an-tranony izy ireo ary avy hatrany dia nentina ireo zaza. Izany hoe efa nomanina ity tranga ity. Rehefa vita izany dia nitakian’ireo vola mitentina efatra tapitrisa ariary ny ray aman-drenin’ireo zaza. Ny alin’iny alarobia ihany dia efa nahavita nampandre ny mpitandro ny filaminana ny fianakaviana ary nanomboka teo ny fanarahan-dia ireo jiolahy. Omaly kosa ireo olon-dratsy no niantso ny fianakaviana ary nitaky ny vola takalon’aina. Efa betsaka ny voasambotra sy maty tany amin’io distrika io ary efa nanaovana hetsika manokana mihitsy aza, satria nisesy loatra ny tranga fakana an-keriny. Raha noheverina fa mba efa nilamindamina sy fay ny mpanao ratsy, io indray fa miverina manao ny ataony. Tao anatin’ny dimy taona izay dia lasa tena fanaon’ny olona any ambanivolo ny fakana an-keriny, toe-javatra izay tsy nisy mihitsy tany aloha. Teto an-drenivohitra ihany no nisy an’io karazan-keloka bevava io ary olom-bitsy ihany no mpiketrika izany. Rehefa voasambotra na maty (ny ankamaroany) dia voafehy tanteraka izany ary tsy nisy intsony. Ny nahatalanjona dia nitatra tany amin’ny faritra ny kidnapping ary toa lasa iny indray aza no nanintona ny jiolahy noho ny halatra omby. Efa betsaka izay voasambotra sy lavo izay fa mbola misy ihany ny mipoitra ary mbola sahy manantontosa an’izany. Tany amin’ny taona 2007 ka hatramin’ny 2009 tany no tena nisy ny kidnapping ary avy eo dia zara raha nisy. Teto an-drenivohitra hatrany izany. Izao indray dia miverina lasa misesy saingy any ambanivohitra hatrany.
D.R