Ankoatra ity tovovavy tsy ampy taona izay nalainy ho vady ity, dia mbola naka vola aman’hetsiny maro tamin’ny sefo fokontany ihany koa ity manamboninahitra sandoka ho famoahana ny havan’ity farany tany am-ponja. Lehilahy iray, nisandoka ho manamboninahitra kôlônely eo anivon’ny zandarimariam-pirenena no voasambotr’ireo mpitandro filaminana tena izy, tao amin’ny fokontany Anjobony, kaominina ambanivohitra Kalandy, distrikan’i Mandritsara ny faran’ny herinandro. Araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia tonga tao amin’ity tanana ity ingahy, “nilaza fa avy nitondra zandary nanao savahao tany Ambodimanga Seranana, ary nivily kely namangy ny havany tao Ampombilava , alohan’ny hodiany any Antsohihy.”. Mazava ho azy, mazàna ny olona any ambany ravinkazo any, vao mitonona ho mpitandro filaminana, dia manaiky ho azy izay voalaza avokoa ny rehetra, fa indrindra moa ka hoe manamboninahitra. Nino avokoa izay voalazan’ity “manamboninahitra” ity araka izany ireo olona. Nentina nanararaotana ihany koa izany, nilazàny fa manana “fahefana mamoaka olona any am-ponja izy”. Tamin’io fotoana io anefa, ny sefo fokontany tao an-toerana no voajonony, satria raha ny fantatra dia manana havana any am-ponja ity olom-panjakana ity, izay migadra ao Mandritsara. Vola manodidina ny efatra hetsy ariary no notakian’ingahy kôlônely araka izany, ho fanafahana io olona io. Ary mba nentin’ingahy zandary sandoka, mba habetsaka kokoa ireo “tombotsoa” azony tamin’ireo fokonolona dia tsy tahotra tsy henatra intsony ingahy naka tovovavy iray vao 15 taona monja tao amin’io tanana. “Nalainy am-pitaka ihany koa ity tovovavy ity hatao vady”. Voalaza mantsy fa hoe “tsy tian’ny lehibe ny Kôlônely tsy manambady”. Izay toe-javatra izay angamba no nahamailo ny sasantsany tamin’ireo olona ka nampandrenesana haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana teo anivon’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary tao amin’ny faritra Sofia, izay voalaza fa hiàsan’ity lehilahy ity. Nidina avy hatrany an-toerana moa ireto farany, rehefa nahareo izany nanao ny fanadihadiana rehetra. Nosamborina avy hatrany moa ingahy kôlônely sandoka, rehefa voamarina fa tsy zandary velively tsy mitondra akory izany laharam-boninahitra izany. “Niaiky ny heloka vitany izy” hoy ireo mpisambotra. Ary fantatra tamin’ny fakàna am-bavany an’ingahirainy fa tsy vao tany amin’iny faritra iny akory no nanaovany izany asa fisolokiana sy fitononana ho manamboninahitra eo anivon’ny zandary izany fa efa hatrany Toamasina sy ny manodidina rehetra, izay efa samy nahazoana tombotsoa maloto avokoa. Ela nitoratorahana tokoa ka izao tra-tehaka tao Mandritsara izao ihany. Tsy mitsahatra manentana moa ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana mba hampandre avy hatrany ny birao akaiky rehefa misy tranga mampiahiahy mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
m.L