- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversKorontana tao Ampasimbe : Olona 20 voasambotra, mitaky PDS ny vahoaka

Korontana tao Ampasimbe : Olona 20 voasambotra, mitaky PDS ny vahoaka

Olam-pifidianana nandritra ny ben’ny tanàna teo, izay nahalany tamin’ny latsa-batom-bahoaka, izay naha-lany an’i Ndreandro Julien (tsy miankina) nefa nandresen’i Jacob Honoré (Hvm) teo anivon’ny fitsarana nisahana ny famoahana ny valim-pifidianana teto Toamasina, dia lasa sakoroka be ny fametrahana ity ben’ny tanàna ity tao Ampasimbe Manantsatrana, ny alakamisy sy zoma teo.

Tifi-danitra. Tonga tany an-toerana ny alakamisy alina ingahy Jacob Honore sy ireo mpiara-dia taminy hiatrika ny lanonana ny zoma maraina, vao nidina ny fiara ireo delegasiona, dia tora-bato no nitsena azy ireo. Voatery nanao tifi-danitra ireo mpitandro ny filaminana ho fiarovana ny ainy, nefa nitohy hatrany amin’ny làna 4km miala ny kaominina mihazo ny lalam-pirenena faha-5 ny tora-bato, ka nahatonga ny ireo zandary sy polisy ho naratra, ary ny fiara nentin’izy ireo rotiky ny tora-bato. Tany amin’ny 1ora sy 40min maraina vao tafaverina tao Fenerivo atsinanana izy ireo; tao Ampasimbe Manatsatrana kosa nopotehin’ny olona ny sehatra hanaovana ny lanonana, may nandritra izany koa ny fiangonana Rhema izay nitsoahan’ireo ekipan’i Jacob Honore nandritra ny sakoroka. Vokatr’ity sakoroka ity, dia nidina tao Ampasimbe Manantsatrana ny prefen’i Fenerivo atsinanana,ny talen’ny kabinetran’ny faritra atsinanana ary ny lehiben’ny zandary sy polisy. In-droa miantoana ny fihaonana natao, saingy tsy nisy vokany nahafa-po. Nisy koa ekipan’i Ndreandro Julien nentin’ireo fiara Sprinter roa avy eto Toamasina tonga tany an-toerana, ny alakamisy tamin’ny 02ora mariana nanampy ireo namany efa nanakanan-dalana.

Mitaky “PDS”. Nitohy ny zoma noho izany ny andian’ny faha-3-n’ny fihaonana, saingy tsy nitondra mpitandro filaminana intsony izy ireo, fa niaraka tamina mpiambina sivily. Vao tonga anefa izy ireo, dia niharan’ny tora-batom-bahoaka ireto farany ka maro no naratra, nifandresy lahatra tamin’ireo vahoaka anefa ny prefen’i Fenerivo atsinanana, sy niresaka tamin’ireo tangalamena ihany koa. Tao anatin’ny resaka anefa no nilazan’izy ireo, fa “tsy mila an’io ben’ny tanana tianareo hapetraka io izahay vahoaka”, koa “raha tsy tianareo ilay ben’ny tanana laninay vahoaka, dia mitaky ny fametrahana PDS izahay ka izahay no manolotra azy”. Tsy nanana valin-teny anefa ireto solon-tenam-panjakana. Taorian’izay dia nikasa ny handoro ny tranon’ingahy Jacob Honore ireto vahoaka, teo no niteraka ny fitifiran’olona tsy fantatra tamina basim-borona azy ireo izay niteraka faharatrana olona 8, ka ny 2 no tena voa mafy izay voatery nentina teto Toamasina hodidiana sy hotsaboina. Tsy nisy kosa ny maty na mafy be aza ny sakoroka nandritra izany. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ireo ekipan’i Jacob Honoré 2 lahy nanao izany sy ny basim-borona nampiasain’izy ireo nitifitra “vahoaka”.

Efa milamina ny ao Ampasimbe Manantsatrana izao. Nisy ihany koa mpitandro ny filaminana nanampy ireo namany tonga any izay misy 45, ka 15 avy izany avy amin’ny polisy, zandary ary miaramila. Niasa avy hatrany ireto mpitandro ny filaminana ireto, ka ireo ekipa avy amin’ny Ndreandro Julien, na ireo mpiara-dia amin’i Jacob Honoré dia samy nosamborina fa nanakorontana avy koa. Nisy 20 eo izy ireo no miatrika ny fakana am-bavany azy ireo eo anivon’ny zandary sy ny polisy ankehitriny.

Efa any an-toerana koa nanomboka ny sabotsy ny lehiben’ny fari-piadidiam-paritanin’ny zandary mitarika ny Emmo-Nat, sy ny lehiben’ny faritra analanjirofo Ramaroson Jacques, izay nanafohy ny diany tao Antananarivo noho ity sakoroka tao Ampasimbe Manantsatrana ity ho fandaminana ny raharaha…

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici