Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ity farany, mba ho fiarovana ny ainy sy ho amin’ny famotorana, hoy ny pôlisy. Ny herinandro lasa teo, tovolahy iray no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’iny faritra La Haute iny, raha mbola somokitra teo am-pamakiana tranon’olona mihitsy teo Antsahondra.
Andro antoandro be nanahary no niditra an-keriny tao amin’ity tokatrano iray ity ilay mpangalatra. Nihevitra fa tsy nisy nahita ny zavatra nataony. Kanjo ny tsy hainy dia ny tompon-trano mihitsy no nahita ity farany. Niantso mpitandro filaminana avy hatrany izy ary tonga haingana toy ny tsy teo ireo pôlisy. « Tamin’ny fahatongavanay, hoy ireo mpitandro filaminana dia mbola tratra teo amin’ilay toerana ingahy, tsy nanampo na inona na inona ». Mazava ho azy fa niainga ny fisamborana, ary notanana natao andrimaso ity mpangalatra ity, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




