
Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy noho ny resaka fivarotana, fidorohana rongony mahery vaika « heroïne », omaly, tetsy Ampefiloha, « La reunion kely ».
Raha natolotry ny fanjakàna ho an’ireo olona nipetraka tamin’ny trano « sachet » teny amin’iny faritra « La Reunion kely » Ampefiloha tokoa ireo trano « conteneur » ireo tamin’izany, amin’izao lasa hanaovan’ireo olon-dratsy bizina maloto. Nisy sasany tamin’izy ireny lasa nivadika ho trano fidorohana zava-mahadomelina ary fivarotana rongony mahery vaika. Nisy ny vaovao tonga teny am-poto-tsofin’ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, mahakasika ny fisiana fivarotana sy fitsindromana « heroine » tao amin’ireo trano « conteneur » tetsy La reunion kely tetsy Ampefiloha. Nidina avy hatrany teny an-toerana vokatr’izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana ireto nijery ifotony sy nanamarina izany vaovao izany. Omaly, raha ny vaovao azo amin’ny pôlisy hatrany dia voamarina tokoa ny zava-nisy, ary lehilahy iray no tra-tehaky tamin’izay fotoana izay tao amin’ny iray tamin’ireo trano, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo ho eo. Tamin’ny fisavàna azy, hoy hatrany ny vaovao dia mbola nahitàna « seringue » maromaro tany aminy ary irony fandorana « heroine » irony. Ankoatr’izay dia mbola nahitàna rongony roa fonosana ihany tany amin’ingahirainy, araka ny vaovao hatrany. Nentina avy hatrany natao andrimaso teny anivon’ny biraon’ireto pôlisy ireto moa ity lehilahy mpibizina rongony mahery vaika ity, ary hanaovana famotorana mahakasika izany. Raha ny zava-nisy tokoa dia tsy araka ny fiheverena azy iny faritra iny. Iza tokoa no hanampo fa hisy mpibizina sy fidorohana rongony mahery vaika eny « La reunion » kely …
m.L