Miditra amin’ny lavanty faharoa amin’ity taona ity ny ladoany eto Toamasina. Niavaka ny tamin’izao andiany faharoa izao satria ireo entana tsy navoakan’ny tompony tao anatin’ny roa volana sy tapany, na tao anatin’ny 75 andro, ireto entana hatao lavanty ny 08 oktobra hatramin’ny 11 aoktobra ireto. Miisa 169 ireo vondron’entana (lots) hatao lavanty ireto ka ny 40 amin’izany dia vondrona fiara avokoa, izay fiara tsy navoakan’ny tompony tao anatin’io fotoana 75 andro io, izay manodidina ny 05 tapitrisa ariary hatramin’ny 50 tapitrisa ariary ny tombam-bidiny amin’izao fanaovana lavanty izao. Raha ny fanazavan’ny Me Hambinintsoa, vadintany sy mpanao lavanty misahana ny fanaovana izany amin’izao andiany faharoa izao, dia ny 08 oktobra hatramin’ny 10 oktobra ny fitsidihana ny entana sy ny fametrahana ny tombam-bidy atao anaty valopy mihidy. Ny 11 oktobra kosa ny fanokafana izany valopy mihidy, iarahan’ny vadintany mpanao lavanty, ny ladoany Toamasina, ny Mictsl sy ny Smmc ary ny antenimieran’ny varotra, ny Bianco, ary ireo solontena 15 avy amin’ny mpandray anjara amin’ny lavanty, ka mandritra izany no hamoahana ireo lisitra telo voalohany nanao tolo-bidy ambony indrindra isaky ny vondron’entana. Ankilan’izany amin’ireo vondron’entana hatao lavanty eto Toamasina ireto dia misy vondron’entana anaty kaontenera 40’ miisa 14, izay ahitana “Bobine de papier journal” ary eo amin’ny 20 tapitrisa ariary ny tombam-bidin’ny iray amin’izany. Isan’ny hatao lavanty koa izao ny kaontenera 20’ miisa enina nisy ireo fitaovana saika nampiasan’Atoa Pierrot Rajaonarivelo tamina fampilezan-kevitra tokony nataony tsy tafavoaka ny seranan-tsambo tamin’ny fotoana nilany izany. 200.000 ariary ny tombam-bidin’ny entana. Ankoatra izay dia misy entana ao anatina kaontenera 40 amin’ny 20’ feno sira misy ioda, izay nozaraina ho vondron’entana 05 avy miisa dimy koa hatao lavanty. Saingy ho an’ireto vondron’entana ireto dia olona manokana sy voafatina ihany no afaka mandray anjara aminy, mampiseho ny maha-mpandraharaha ara-tsira azy izy ireo dia efa mety.
Malala Didier