- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversLakandranon’ny Pangalana : Simban’ireo loto na orinasa ny hatsarany

Lakandranon’ny Pangalana : Simban’ireo loto na orinasa ny hatsarany

Ho an’ireo mponina miaina manodidina sy amin’ity lakandranon’ny Pangalana ity dia mampaninona azy ireo ny fanagadiana azy mba hanatsarana kokoa ny fifamoivoivoizana eo amin’ny mpamokatra sy ny mpivarotra; saingy ho azy ireo indrindra ireo miaina manamorina ny fiantsonan’ny lakana na vedety miainga eo amin’ny “pont fotsy” hatreo amin’ny port fluvial misy ny foibe ny AMPF, dia miaina fahalotona goavana izy ireo amin’izao. Tsy honohono na resabe etsy sy eroa intsony fa ny mason’ny mpnaoa gazety no nahita, fa tena miaina ao anatin’ny loto (pollution) tanteraka ny lakandrano ny Pangalana. Izany dia vokatry ny fanarian’ny orinasa mpanadio menaka HITA ireo lotony rehetra ao anatin’ny lakandrano Pangalana ity, ary saika rano mainty sy feno menaka ny manodidina ny orinasa amin’izao fotoana izao, ankoatra ilay fofona maimbo isaky ny alina avoakana. Eo koa ny orinasa Galana mpitahiry solika ao anatin’ny tokontany ben’ny solima teo aloha, ny azy ireo dia resaka gazoala no tena olana satria saika io karazana solika io no re vao mandalo. Efa nanao tatitra momba ity olana ity tamin’ny fanjakana ny prefektiora tao arorian’ny fanadiadiany efa volana maromaro izao, saingy tsy misy anefa fanjakana iray sahy mandray ny andraikitra amin’ny fanasaziana azy ireo. Raha iverenna nefa ny tantara dia efa namohana ny fitsarana teto Toamasina sazy an-jatony miliara ariary tamin’ny trangan-javatra toy izao orinasa mpikirakira solika iray nandoto ity lakandro ny Pangalana ity tamin’izay, ary efa nisasakalina vao nivoaka ny didy tamin’izany fotoana izany. Tantara izany nefa tsara halain-tahaka ihany entina hanatsara ny fiainan’ny mponina sy ny vahoaka Malagasy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici