- Publicité -
AccueilFaits-DiversLala Roger Stephanie : Misy sazy dimy taona an-tranomaizina miandry azy...

Lala Roger Stephanie : Misy sazy dimy taona an-tranomaizina miandry azy ao Toamasina

Raha mbola ao anatin’ny fanadihadiana an’ny Rtoa Lala Roger Stephanie, izay voalaza fa tena atidoha mifaningotra tamin’ny fakana an-keriny nitranga farany teo tao Toamasina, izay nisian’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’i Annie 14 taona, dia mivoaka ihany koa ny antontan-taratasin’ady mikasika azy eo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ao Toamasina.

Raha ny antontan-taratasin’ady nandalo fitsarana nandritra ny fitsarana ady heloka be vava ny taona nivalona iny, dia isan’ny voarohirohy tamin’ny resaka fanafihana teratany sinoa avy any Mananara avaratra tonga tamin’ny taxi-brousse vao maraina tao amin’ny “gare routiere”, nitondra vola hividianana zavatra teto Antananarivo ny taona 2014, ihany koa ity ramatoa ity. Taorian’io raharaha io anefa i Stephanie no voarohirohy tamin’ny resaka fakana an-keriny hafa indray, tamin’ny raharaha zanaka mpandraharaha sinoa mpifankatia tao Morafeno Toamasina. Ity raharaha ity rahateo no nahatonga azy nifonja teto Antananarivo niandry ny fitsarana azy, nefa lany fetr’andro ihany ny fihazonana fa tsy nisy ny fitsarana ady heloka nitranga, ka nahatonga azy afaka am-ponjan’Antanimora nihazonana vonjimaika azy. Tao anatin’ilay raharaha ady heloka bevava nanenjehan’ny fitsarana ady heloka Toamasina azy, noho ilay fanafihana teratany sonia tao amin’ny “gare routiere”, ny taona 2014, anefa na mbola nifonja tao Antanimora aza ity ramatoa ity, dia namoahan’ny fitsarana didy sazy dimy taona an-tranomazina asa an-terivozona izay mbola miandry azy. Ireo namany tena nandray anjara tamin’ny fanafihana kosa dia samy nahazo 15 taona sazy asa an-terivozona avokoa ary mbola mamita izay hatramin’izao.

Ankoatra izay, dia raharaha fakana an-keriny sy fanafihana vola mitam-piadiana maromaro tao Toamasina no nahenoana ny anarany ho mpaniraka sy atidoha. Isan’ireny ny fakana an-keriny ilay zanaka teratany karana tompon’ny orinasa “Hita” mpanodina menaka, ny fanafihana ny volan’ity orinasa ity atao karaman’ny mpiasa, ny fakana an-keriny ny zanaka karana tompon’ny “Frip Zone”…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Vendredi joli

7 COMMENTAIRES

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici