- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversLalam-baovao Ambohitrimanjaka : Mpamily voalaza fa nahita « lolo », nandona nahafaty...

Lalam-baovao Ambohitrimanjaka : Mpamily voalaza fa nahita « lolo », nandona nahafaty vehivavy

Nandriaka ny rà. Vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany kely anankiroa, izay niambina dobo, teny an-tanimbary no voafoakan’ny fiara 4×4 iray, tafavoaka ny lalana noho ny antony tsy fantatra, tamin’iny lalam-baovao eny Ambohitrimanjaka iny. Nandeha ny feo teny an-toerana fa hoe « mety ho nahita angatra ilay mpamily » …

Omaly vao maraina tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any no nitranga ny loza, raha ny fitantaran’ireo teny an-toerana. Avy any Avaratra ary handeha hihazo ny renivohitra ity fiara tsy mataho-dalana marika « Kia Sportage » ity izao tra-doza izao. Malalaka sady vita tsara iny lalam-baovao iny ary vitsy ny fiara mandeha ka mety tratran’ny fakam-panahy handeha mafy ny mpamily. Mety ho voan’izay ny mpitondra ity fiara ity. Kanefa mety tsy voafehiny intsony tao anatin’ny segondra vitsy ny familiana ka nitarika ny fivoahan’ilay fiara ny lalana ary nikivalavala sy nivarina tany an-tanimbary.

Tamin’izay fotoana izay no nifaoka ireto fianakaviana kely, ilay renim-pianakaviana sy ny zanany niambina io dobon-trondro io. Voafaoka mafy izy telo mianaka ary tsy vitan’izay fa mbola voahitsaky ny kodiarana ihany koa ilay reniny. Ireo zaza kosa tafapitika lavitra. Maty tsy tra-drano ilay renim-pianakaviana tokony ho any amin’ny 40 taona any ho any. Ireo zanany kosa naratra mafy ary voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Tsy misy atahorana anefa ny ain’izy ireo, raha ny angom-baovao azo avy amin’ireo mpitandro filaminana izay tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana. Ilay mpamily nahavanon-doza kosa dia efa nentina notanana natao andrimaso, hanaovana fanadihadiana.

Ekena fa maro amin’ireo lalana eto amintsika tokoa no ahitàna trangan-javatra tsy hay hazavaina firy, ka mahatonga lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona. Mety ho efa tsy vitsy ireo mpamily no tratran’izany ary maro ihany koa ireo tompon-tany no manamafy ny fisin’ireny tranga tsy voajanahary ireny, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny eny amin’ireo lalam-pirenena maromaro eto amintsika sy ireo lalana sasantsany eto an-drenivohitra. Saingy na izany na tsy izany aloha, ny voamariky ny rehetra dia mazàna vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily foana eny am-pitondrana fiara eny, izany hoe na io fandraisana zava-mahadomelina, na io fandehanana mafy loatra, na toe-batana izay fantatra fa reraka kanefa mbola ikirizana ihany no mahatonga izay lozam-pifamoivoizana isan-karazany izay. Fa eo ihany koa anefa ny hoe mety ho tsy fahatomombana amin’ny lafiny ara-teknika amin’ny fiara.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici