Namono olona iray indray ny lalan’i Tsarasaotra ! Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo dia nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, Ambodifasina. Araka ny fampitam-baovao azo dia fiara nentina terantany vahiny iray, izay voalaza fa mpanamory no nandona olona niampita tampoka. Maty tsy tra-drano ity farany.
Tokony ho tany amin’ny misasak’alina tany ho any no nitranga ny loza, araka ny fampitam-baovao azo, teo amin’ny PK06+400. Nisy nampandre ireo mpitandro filaminana ka tonga haingana teo amin’ny toerana voalaza. Efa ilay olona nitsirara tao anaty rà mandriaka no hitan’ireo mpitandro filaminana. Efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy, raha ny voalaza fa efa maty tsy tra-drano, noho ny dona nahazo azy ilay olona. Tsy fantatra moa na mponina eny ihany ity farany na avy aiza amin’ny andro alina fa tsy nahitàna taratasy milaza ny mombamomba azy teny aminy. Marihana fa tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary teny an-toerana dia tsy tazana teny an-toerana ilay nandona. Raha ny voalaza hatrany dia tsy nitsoaka akory ity farany fa namonjy avy hatrany, nampilaza ny pôlisy niasa tetsy Tsarasaotra mahakasika ny loza ary niverina teo amin’ny toerana nisian’ny loza ihany avy eo. Avy namita asa avy teny Ivato ity terantany vahiny ity araka ny vaovao ary an-dalana hamonjy fodiana eny Ivandry. Fandehanana mafy ary tsy fitandreman’ny mpamily no ho vinavinaina ho antony nahatonga ny loza. Efa eny am-pelantan’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana moa ny raharaha ary izy ireo no manao ny fanadihadiana.
—m.L




