Namono olona indray ny lalam-baovao eny Tsarasaotra omaly. Olona roa no indray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Araka ny vaovao azo teny an-toerana, lehilahy sy vehivavy ireto voadonan’ny fiara ireto, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Fiara Starex iray no voalaza fa namoa-doza tamin’izany. Maty tsy tra-drano teo noho eo ilay ramatoa, raha tany amin’ny hôpitaly ilay rangahy. Raha ny fanazavan’ny olona teny an-toerana, nandeha an-tongotra ilay vehivavy voadonan’ny fiara io. Nandeha môtô kosa ilay lehilahy, raha ny fanazavana azo ihany. Nanambara ny polisy fa efa notanana hanaovana fanadihadiana ilay mpamily fiara, izay tokony ho 50 taona eo.
Ity lalam-baovao Tsarasaotra ity izay nisehoana lozam-pifamoivoizana matetika mihitsy, ary efa ho isan-kerinandro no ahitana faty olona vokatr’izany. Vao haingana nahafatesana olona roa, izay mpianatra mpanamory fiaramanidina, izao indray olona roa hafa. Tsy hain’ny olona ny mampiasa iny lalam-baovao iny ? Azo sokajiana anatin’ny antsoina hoe arabe migodana ahafahana mandeha mafy izy iny. Izany hoe nampiasana mba hanafaingana ny fifamoivoizana, kanefa izao mitera-doza izao. Ireo mpitondra môtô mandray iny lalana iny tena lasibatra matetika. Eo ihany koa ireo fiara mivadika noho ny fandehanana mafy, ny olona mandeha antsisin-dalana voafaoka sns. Misy ny mandefa soson-kevitra ny amin’ny fametrahana ny fampihenana ny hafainganam-pandeha, kanefa arabe natao handehanana mafy mihitsy ireny. Ny fampiasan’ny olona ny làlana no ilana fanentanana sy fampianarana mba hitandreman’ny rehetra. Eo ihany koa fahaizana mampiasa ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Yv Sam