Olona telo sahady izay no matin’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra hatramin’ny niandohan’ny taona ary samy tamin’ity volana febroary ity avokoa izany. Tamin’ny taon-dasa indray dia nahatratra dimy ny namoy ny ainy teo. Nisy avy hatrany ny fivoriana teo anivon’ny ministeran’ny fitaterana ary nahafahana namoaka fepetra roa izany. Voalohany dia ny famerana ny fandehanan’ny fiara sy ny kodiaran-droa tsy hihoatra ny hafainganam-pandeha 60km/h. Etsy andanin’izay dia tsy azon’ny sarety andehanana intsony ny lalam-baovao Tsarasaotra.
D.R