- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-5 : Mirongatra ny halatra, olona enina mianadahy voasambotry ny zandary

Lalam-pirenena faha-5 : Mirongatra ny halatra, olona enina mianadahy voasambotry ny zandary

Nafampana indray tato ho ato ny famakiana fiara kamiao mitatitra entana amin’ny lalam-pirenena faha-5. Fiara kamiao maro no efa lasibatra ary entana an-tapitrisany maro no efa voaroba. Manararaotra ny lalan-dratsy ireo olon-dratsy ka mihanika ny fiara mandrofitra ny labasy ary mandatsaka sy manipy ireo entana eny amin’ny sisin-dalana, ka efa misy ireo namany mitsimpona ny entana atsipin’izy ireo. Vokatra izay nanao hetsika ho fandravana izany tamban-jotran-jiolahy izany ny kaompanian’ny zandarimariampirenena Toamasina. Nizara roa izy ireo teo ny notarihan’ny lietna Mangazafy Sacha Cyprienne, raha ny komanda Arthur komandan’ny kaompania foulpointe. Samy nahita vokatra avokoa ny andian’ny roa, ka ireo efa-dahy voasambotra tao Foulpointe, izay nahitana moto halatra sy tsy misy taratasy, fahitalavitra fisaka sy entam-barotra maro samy hafa. Ho an’ireto tao Foulpointe ireto dia jiolahy roa no efa mpamerin-keloka izay vao avy nivoaka ny fonjaben’i Toamasina ny taona 2020 teo. Ny mianadahy roa hafa kosa taorian’ny fihainoana ny angom-baovao ka nirosoana tamin’ny fisavana ny tranin’izy ireo tao Antanambao Nosibe, ka samy nahitana fahitalavitra mitovy tsy misy taratasy ny tokantranon’izy ireo; ary tao amin’ny maman’i Venor koa mbola nahitana moto halatra roa samy tsy misy taratasy. Ankoatra izany dia mbola ahitana solika 210 litatra koa tao aminy izay mifatra 20 litatra ny iray.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici